Nivoaka nandritra ny fehin-kevitra tapak’izy ireo ary fa foana nanomboka omaly ny biraon’ny fikambanan’ny mpivarotra pavillon Analakely Mijoro na ny FIMPIVAMI. Hiroso amin’ny fifidianana izay ho birao vaovao araka izany ireo mpikambana amin’ny 18 Novambra ho avy izao. Mangataka ny famerenana ny biraon’ny tsena na ny controleur de marche noravana vao roa volana lasa ihany koa izy ireo hahafahany mandoa ny hofan-tsenany isam-bolana. Tsy mila mpanelanelana toy ny SMGD izahay hoy izy ireo fa aleo ny biraon’ny tsena ihany no handray izany hofan-tsena izany hivantanany avy hatrany any amin’ny kitapom-bolam-panjakana any amin’ny tresor. Na ireo mpivarotra sasany efa nahazo ilay kara-tsena vaovao avy tamin'ny kaominina sy SMGD aza moa dia maro no tonga namonjy ity fivoriana tsy ara-potoana notanterahin'ireo mpivarotra eny amin'ny pavillon omaly ity. Izy ireo izay nanambara tamin'ny mpanao gazety fa tratry ny tery vay manta sy fandrahonana amin'ny hanakatonana ny tsenan'izy ireo ka tsy maintsy nanaiky mora foana izay nambara tamin'izy ireo momba ilay karatra vaovao sy ny hoe : fandoavana ny hofan-tsena any amin'ny SMGD. Taorian'ny fivoriana niaraka tamin'ny besimimaro anefa dia resy lahatra izy ireo fa tokony hiverenana ny fomba fandoavana hofan-tsena toy ny teo aloha any amin'ny biraon'ny Tsena.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notanterahin’izy ireo omaly
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny