Nilatsaka ny fanapahan-kevitra hentitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo mikasika ny raharaha fisavana trano tsy ara-dalàna nitranga teny Ambohibao, tao amin’ny tranon’ny ben’ny tanàna Lalaina Vatosoa. Ity tranga ity dia niteraka ahiahy sy fanehoan-kevitra maro teo amin’ny fiarahamonina, taorian’ny fidirana an-keriny nataon’ny olona sasany tao an-tranon’olona tsy nisy taratasy ara-dalàna. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, olona roa izay miasa amin’ny kaominina no nahazo fahafahana noho ny fisalasalana. Etsy ankilany, ireo voampanga sisa tavela ahitana miaramila, mpitandro filaminana ary sivily, dia voaheloka hisazy herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra. Ankoatra izany, voatery mandoa onitra roa tapitrisa Ariary izy ireo, izay hefaina miaraka amin’ny sazy. Olona 7 moa no voarohirohy tamin’ity afera ity, nahitana miaramila tafika 02, Polisy 03 ary Sivily ny 02. Ny Fitsarana dia nanamafy fa tsy maintsy hajaina tanteraka ny fombafomba ara-dalàna amin’ny fisavana trano. Ny fampiasana taratasy sandoka na fisavana tsy misy fahazoan-dàlana ara-pitsarana dia fandikan-dalàna mibaribary, ary iharan’ny sazy araka ny lalàna velona eto Madagasikara, hoy ny fanamafisana. « Na iza na iza, na inona andraikitra na sata ananany, dia tsy ambonin’ny lalàna,” hoy ny fanamafisana ao amin’ny didy. Ity fanapahan-kevitra ity dia natao hanamafisana ny fiarovana ny zon’ny olom-pirenena sy hanasongadinana ny andraikitry ny Fitsarana amin’ny fanajàna ny lalàna, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitsarana hatrany. Nomarihina fa ny fanapahan-kevitra navoaka omaly dia heverina ho marika manan-danja amin’ny ady amin’ny fanararaotam-pahefana sy ny fiarovana ny zon’ny tsirairay.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»