Nanamafy ny Fanjakana fa tsy mbola nanome baiko hanaovana fisavana na "perquisition" ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM, araka ny fanazavana navoakan'ny Fiadidian'ny Fanavaozana, taorian'ny fanambarany tany Toamasina izay nanomezany toromarika hisamborana ireo mampiasa ny anarany. Niverina indray mantsy ny fisavana hafahafa niteraka resabe, toy ny tranga nisavana teratany sinoa teny Ambohibao, izay voalaza fa olona nisaron-tava no nanao azy, ary nambara ho tsy ara-dalàna sy fandrobana no nitranga. Na izany aza, niteraka resabe ny horonan-tsary iray naneho fisavana ireo teratany vahiny ireo izay voalaza fa tsy misy taratasy, fa taratasy fanaovana vola sandoka sy fitaovana entina manamboatra izany no tratra, raha ny horonan-tsary niparitaka. Andaniny, nitory ny sinoa antsoina hoe Fan Shangoing fa zavatra maro no very : basy PA iray, 3 chargeurs, 8 cartouches, vola 363 000 000Ar, 800 dolara, 5 500 yuans chinois, 10 000baths thaïlandais, finday maro, solosaina,… Andaininy, 25 efa tamin’ireo vahiny sy ny namany no efa any Tsiafahy, ka ny 3 efa afaka, tsy any am-ponja intsony, raha ny ampamoaka nataon’i Dr Rasoatakalosoandro. Nambarany ihany koa anefa fa misy olona ambony miaro an’ireo, ka asa na hivoaka ny marina na tsia ? Sao mba misy ifandraisany ny tranga fanapariahana vola sandoka sy ny tsy fandriampahalemana ? Tato ho ato, betsaka ireo teratany vahiny voarohirohy amin’ny afera maizina. Tao anatin’ny 2 volana, nisy ny raharaha « scamming » karazana fisolokiana ara-bola izay ny Minisitry ny atitany no isan’ny nanamafy. Teratany vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo 700 niasa teny Tsarasaotra izay nisiana fisavana niteraka resabe. Nialohan’izay, nisy ireo olona 34 no voatazona am-ponja, ary vahiny 64 kosa no noroahina hiala ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara noho ny fisolikiana ara-bola amin’ny alalan’ny teknlojia,… Mazava ho azy fa misy ny fisavana ambara fa tsy ara-dalàna, fa misy ihany koa ny savaina tafiditra anaty tambajotrana mafia.
NAMPITANDRINA NY FANJAKANA
Andaniny, nampitandrina ny Fiadidian'ny Fanavaozana fa raha misy olona milaza tena ho mpanolontsaina ara-teknika ka manao fisavana tsy ara-dalàna, dia tokony hampandrenesina avy hatrany ny manampahefana, satria ahiana ho mpisandoka izany ka tsy maintsy hosamborina. Nanamafy ny Minisiteran’ny Fitsarana ny sabotsy 11 Jolay 2026, fa misy ny fepetra hentitra ara-dalàna momba ny fanatanterahana fisavana. Araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna momba ny Paikady Heloka, dia voafaritra mazava ny fomba sy ny fepetra tsy maintsy arahina amin’izany. Nanamarika io Minisitera io fa tsy maintsy miaraka amin’ireo mpikaroka fandikan-dalàna (OPJ) sy ny Lehiben’ny Fampanoavana na ny solontenany (OSPJ) ny mpanao fisavana, ary tsy tokony hanao sarontava. Voarara tanteraka ny herisetra raha tsy misy fanoherana, ary tsy maintsy aseho ny taratasy fanomezam-dalàna avy amin’ny Fampanoavana rehefa hanontaniana.
MILA AMPANDRENESINA NY MANAM-PAHEFANA
Noho izany, ny fisavana rehetra atao ivelan’ireo fepetra ara-dalàna ireo dia heverina ho fandikan-dalàna ary iharan’ny sazy araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara. Nambaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa efa nandraisana fepetra ny amin’ny fanamelohana ireo tratra manao fisavana sandoka na tsy ara-dalàna. Namafisina fa tsy manome alàlana amin’ny fisavana trano izy, ary manameloka ny fanakorontanana saim-bahoaka na vaovao diso aely momba izany. Entanina ny olom-pirenena mba hampandre avy hatrany ny Mpitandro ny filaminana na ny Fampanoavana raha misy tranga mampiahiahy, hoy ny toromarika. Navoitra fa fa ity fanambarana ity dia maneho ny finiavan’ny Fitsarana hanamafy ny fahamarinan-toerana ara-dalàna sy hiaro ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fisavana tsy ara-dalàna.
Toky R