airtel

Actualités

28-nov-2024

PETITE VITESSE

Manempotra ny fofom-pako

Sample post image

Manempotra mila tsy ho azo hiainana intsony ny fofom-pako eny amin’ny Petite Vitesse, Kaominina Antananarivo renivohitra.

28-nov-2024

Mikolay hatramin’ireo mpandeha any anaty fiara fitateram-bahoaka mampiasa iny lalana iny noho ny herin’izany fofom-pako izany. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia efa ho andro maromaro izao no tsy nisy naka intsony ny fako teny amin’iny faritra iny. Tsy afa-manoatra noho izany ireo mpivarotra sy mponina eny an-toerana fa tsy maintsy miharitra hany ka tsy vitsy ireo lasa mikohoka sy voan’ny sery. Ankoatra ny fofona entin’ity fako mivangongo eny amin’ny Petite Vitesse ity moa dia efa mitobaka ivelan’ny baka ihany koa izany hany tsy misy lalana azo aleha intsony. Mitombo betsaka ihany koa ny voalavo sy ny lalitra noho io antony io ihany. Andrasana araka izany ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA. Saika voaresaka avokoa mantsy tamin’ny faran’ny herinandro teo ny asa hotanterahin’ny PDS vaovao sy ireo ekipa miaraka aminy. Tokony ho lohalaharana ao anatin’izany ny fandraofana ny fako, indrindra amin’izao fahavokaran’ny manga sy ny lodisia izao.
Pati
Legende : Miverina mivangongo indray ny fako eto Antananarivo renivohitra !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap