airtel

Actualités

30-déc-2022

Actualités

Pharmalagasy nitory ny « Le Monde Afrique » Aiza ho aiza ilay fitakiana onitra 15 tapitrisa euros ?

Sample post image

Isan’ny nanamarika ity taona ity taona 2022 ity ilay vaovao momba ny fitorian’ny orinasa Pharmalagasy ny Gazety vahiny Le Monde Afrique,

30-déc-2022

araka ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’io orinasa mpamokatra CVO+ io Atoa Holijaona Raboana ny 11 novambra 2022 lasa teo. Nambara mantsy fa noho ny fanaratsiana ny CVO+ ho tsy voaporofo ara-tsiantifika, dia nanafoana ny kaomandiny ny firenena maro, niteraka tsy fisian’ny tsena, tsy nidiran’ny vola, ka nisian’ny olana ara-karama. Talohan’izay mantsy dia tena efa nandeha be ny tsena raha ny fanazavana. Lahatsoratra navoakan’ny Gazety Frantsay Le Monde Afriqua ny 22 jolay 2022 moa io, ka nambara fa rava daholo noho io vaovao io ny fifanarahana sy kaomandy avy any ivelany. Firenena aty Afrika 6 no voalaza fa isan’ny nihemotra! Raha hiverenana anefa, ny 28 septambra 2022 no nanomboka niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao fa 5 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny Pharmalagasy. Vokany, notorian’ny Pharmalagasy ny Le Monde Afrique, ary nitaky onitra 15 tapitrisa euros izy ireo, araka ny fanambarana nataon’Atoa Holijaona Raboana hatrany ny 11 nombra 2022. Raha hiverenana anefa, ny 29 septambra 2022, nisy tompon’andraikitra nilaza fa eo am-pikarohana vahaolana, izany hoe: nanamarina fa tena misy olana ara-bola. Raha manao kajikajy tsotsotra, raha ny volana septambra no efa 5 volana tsy nandray karama, dia efa tany amin’ny volana may no nanomboka tsisy karama sy nisy olana kanefa ilay nolazaina fa nanimba ny “business” anefa dia tamin’ny 22 jolay 2022. Somary hafahafa sy tsy nitombina ilay fanazavana, saingy toa taratry ny fomba fitantanana firenena. Mitady izay hanilihana sy hofatorana eo anatrehan’ny tsy fahombiazana hoe: iza sy aiza indray no hanilihana ny rihitra? Raha miverina kely amin’iny satria mifarana ny taona 2022 dia mipetraka ny fanotaniana hoe: aiza ho aiza ary izao ny tohin’ilay fitoriana sy ny fitakiana onitra 15 tapitrisa euros? Tena zavatra nitombina sa dia fanadalana saim-bahoaka tsotr’izao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap