Herintsalama Rajaonarivelo eo anatrehan’ny resabe amin’ny mety ho fikasana handrava ny governemanta. « Jereo ny andin-dalàna sy ny lalàmpanorenana, ary ny fanapahana noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny fametrahana ny fanavaozana, fa tsy misy ny fanonganana ny Filoham-panjakana (empêchement), tsy misy fitsipaham-pitokisana ny governemanta (motion de censure), tsy misy fandravana ny antenimierampirenena. Ny lalàna dia izay dia samy mahalala ny lalàna isika dia apetraka ny lalàna», hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo omaly 18 desambra 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena. Ny fanapahana N° 10/HCC-D3 tamin’ny 14 oktobra 2025 no mamaritra an’io, izay manipika ny voalazan’ny amin'ny andininy faha-53 tapany faharoa fa tsy azo ampiharina amin'izao fotoana misy antsika izao ny andininy faha 60, 100, 103,... Mifameno amin’ny namindran’ny HCC ny fahefahana ho amin'i Kolonely Michaël Randrianirina rehefa nohamarinina ny fahabangan-toeran’ny Filohan’ny Repoblika. Ara-politika, kazaran’ny nametraka arofanina ka nampihatra ilay anjara toerana hoe miantoka fitoniana na « garant de la stabilité » ny HCC tao anatin’io.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»