tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Politika avo lenta Ampiadiana amin’ny TGV i Rajoelina…

Tsy takona hafenina ny lonilony anatiny eo amin’ny samy olon’ny mpitondra, ary misy ny efa manangana saina fotsy.

27-févr-2023

Sample post image

 Miharihary io niainga teo amin’ny adin’ny samy andrim-panjakana, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny governemanta, taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana. Tsiahivina hatrany fa ny IRD ny maro an’isa ao anatin’ny Antenimierampirenena. Na miverina ao anaty governemanta aza ireo olon’ny 2009, tsikaritra ho tsy dia mibahan-toerana ny olon’ny TGV-MAPAR. Ara-politika, toa voadaka am-bavafo izany ny TGV eo amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Voageja sy tsy mihaino ary tsy mahita afatsy ny eo ambany masony ve I Andry Rajoelina ka tsy te hahalala intsony izany anjomaro ataon’ireo mpomba azy hafa? Raha hiverenana, ohatra, ny resaka fifandroritana politika. Misy amin’ireo depiote TGV no nandrirotra mafy sy nampaneno lakolosy ny tsy fankasitrahany an’ireo olom-boatendry sasany. Isan’ny niharihary ny an’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy izay depiote IRD voafidy tao Antananarivo IV, nitondra olona an-dalambe sy niantso ny Filoha hanala ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay marihina fa tsy TGV fa manana ny antokony manokana dia ny Freedom. Nitodika tany aminy anefa ny safidin’I Andry Rajoelina, ary tsikaritra ho isan’ireo olona tena mahazo avara-patana amin’ny Filoha ity Minisitra ity na eo aza ny fahasosoran’ny TGV. Mbola mifandraika kely amin’io ihany koa ny raharaha Bongolava itakian’ny depiote IRD Haja Ramaherijanona sy ny vahoakany ny fanesorana ny governora izay voalaza fa miray tendro amin’ny Minisitry ny serasera izay Freedom. Tena mihantsy ny TGV mihitsy ny Freedom, raha ny sary efa hita hatrizay tany Bongolava, ary mety hiitatra any amin’ny faritra hafa satria antoko no resaka eto. Mbola sary iray hafa maneho ny toa tsy nihainoana ny TGV ny fitakian’ny Depiote IRD teny amin’ny Boriborintany V eto Antananarivo Naivo Raholdina, izay nitaky ny hanesorana an'i Soafilira Princia fa tsy nohenoina, nitaky ny fanesorana ny Minisitry ny rano Fidiniavo Ravokatra ary namotsipotsitra mihitsy ireo afera sy raharaha mandoto ny Fanjakana fa nijanona ho antso an’efitra. Manana ny fijeriny manokana sy ny olona mety henoina kokoa I Andry Rajoelina. Akaiky fifidianana anefa izao, ary raha ireo olom-boafidy TGV tanisaina etsy ambony, ohatra, dia ireo heverina fa namono tena ho an-dRajoelina, efa mpikamban’ny Antenimiera misy hiditra faninefany, misy hiditra fanintelony, raha mbola lany. Efa manana ny vahoakany sy ny mpanohana azy amin’ny ankampobeny ka aleon-dRajoelina ve miantehitra amin’ny olom-boatendry toy izay olom-boafidy amin’izao akaiky fifidianana izao? Sa mitombina ilay hoe: misy tetika politika natao handemena sy hifehezana tanteraka an-dRajoelina ataon’ny mpomba azy ao anaty Fitondrana ihany
? Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus