airtel

Actualités

25-oct-2022

Actualités

Politika momba ny tontolo iainana Tsy misy vokatra, fiketrehana famatsiam-bola fotsiny…

Sample post image

Vonona amin’ny fangatahana amin’ny hanatanterahan’ireo firenen-dehibe tena mpandoto tontolo iainana i Madagasikara amin’ny COP 27 na fivoriam-be andiany faha-27 momba ny fiovaovan’ny toetr’andro hatao an’i Sharm

25-oct-2022

El Sheikh Egypte ny 6-18 novambra 2022 izao, raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Setraniaina Rajafetra Abraham. Notsiahivina ny hoe: fampanantenan’ireo firenena any amin’ny ilabolan-tany avaratra ny hanokana 100 miliara dolara isan-taona hatokana ho an’ireo firenena marefo araka ny nambara tamin’ny COP26 ka isan’ny fitakiana hatao io. Naneho rahateo fa hiady mba hisian’ny rariny ara-tontolo iainana, I Afrika dia tsy tompon’andraikitra amin’ny famoahana entona “gaz à effet de serre” izay tsy misy afatsy 4% kanefa izy no mizaka ny voka-dratsy betsaka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nambara moa fa tombony lehibe ny hanaovana ny COP27 aty Arika, mba hitondrana feo iray. Nohamafisina fa efa manana ny drafitr’asam-pirenena manokana CDN (Contribution déterminée au niveau national). Na izany aza, ny mahagaga amin’ny Mpitondra Malagasy, mahery amin’ny resaka ambony latabatra, be kajikajy, kanefa ny tena zava-misy tsy hita izay tena fandraisana andraikitra. Ankoatran’ny fahamaizana sesilany tsy voafehy, ny tsy fahitana vahaolana amin’ny fandripahana ala amin’ny arina fandrehitra, tsy mitsahatra ny fandripahana harena voajanahary tahaka ny harena an-kibon’ny tany, ny ala izay olon’ny fitondrana mihitsy no manao tantely afa-drakotra. Niainga tany amin’ny tetezamita, ary ny hazo tahaka ny voamboana sy boaderozy Malagasy no isan’ny lohalaharan’ny navoakan'ny IUCN (International Union for Conservation of Nature) fa ahiana sy an-dalana ho lany tamingana. Inona no mba politika iarovana an’ireny? Moa tsy ny olom-panjakana aza no be afera sy tena mamotika? Hitambezo sy hitaky anjara vola momba ny tahiry maitso sy ny maro hafa kanefa ny tontolo iainana ho ripaka hatrany?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap