airtel

Actualités

18-mars-2025

Politika sy fiainam-pirenena

Nodimandry i Monique Andréas Esoavelomandroso

Sample post image

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-80 taonany i Monique Andréas Esoavelomandroso,

18-mars-2025

vehivavy Malagasy nisongadina tamin’ny tontolo politika sy fiainam-pirenena. Manam-pahaizana ambony momba ny vola, Minisi-panjakana teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika nisahana ny Fitsinjaram-pahefana ny taona 2003-2004, Mpikamban’ny conseil des sages teo anivon’ny COMESA, vehivavy malagasy voalohany notendrena ho Sekretera Jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny taona 2004 ka hatramin’ny 2008, ary nanohy ny dian’ny fandraisana andraikitra maha-vehivavy voalohany teo amin’ny toerana “Médiateur de la République” teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2021,... Fantatra amin’ny fanoloran-tenany ho an’ny demokrasia sy ny fanajana ny zo fototra izy. Nampiseho ny fanohanana ny zon’ny vehivavy sy ny miralenta, tamin’ny alalan’ny fitantanany ny Plateforme des Femmes en Politique de l’Océan Indien (PFOI), ary tamin’ny fandraisany anjara mavitrika tamin’ny hetsika toy ny “Coalition Justice de Genre et Justice Sociale”. Vao herinandro lasa mahery kely izay izy no voatendry ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Mari-boninahi-pirenena avy amin’ny Faritanin’i Toliara. Indrisy anefa, tsy ho afaka hanatanteraka izany andraikitra izany intsony izy noho ny fodiamandriny omaly 17 martsa 2025. Araka ny fampahafatarana, andrasana eny amin’ny Villa Hanitra Ambohibao Antehiroka ny vatana mangatsiakany manomboka anio 18 martsa, ka mbola andrasana ny fandaharam-potoana manaraka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap