airtel

Actualités

09-oct-2025

Potehina ny tanora

5 nadoboka any Tsiafahy, maro matin’ny bala…

Sample post image

Mpianatra miisa 28 be izao, isan’ireo voasambotra

09-oct-2025

noho ny hetsika fitakiana teto An-drenivohitra no niakatra fampanaovana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy omaly. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny 5 tamin’ireo, ny 6 nahazo fahafahana vonjimaika raha toa ka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny 17 isa. Amin’ny 11 Novambra ho avy izao no hanaovana ny fitsarana ireo mpianatra ireo, raha ny fanazavana. Mandray an-tanana azy ireo kosa ireo mpisolovava mpilatsaka an-tsitrapo eto Antananarivo. Teny an-dapa i Andry Rajoelina miresaka fa ilaina ny fifamelana, saingy ny zava-misy ivelan’izany dia fisamborana, fandratrana, fanagadrana,… Ireo namoy ny ainy noho ny famoretana moa dia heverin’ny Fitondrana Rajoelina fa ho vitavita ho azy sy sarontsaronana eny fotsiny. Betsaka ireo maty tao anatin’izao tolona izao, fa tsy nisy tatitra ofisialy nataon’ny mpitondra. Ny ONU no namoaka an’ilay antontan’isa 22, saingy heverina fa efa mihoatra lavitra an’io. Betsaka tamin’ireo no matin’ny bala tena izy. Isan’ny nisongadina i Rivaldo ilay tanora vao erotrerony maty notifirina ny 26 septambra tao Diego. Tahaka izany ihany koa i Dawa, tanora isan’ny mamihoditra, notifirina tao anaty fihetsiketsehana, namela kamboty 4,… Izany no zava-mitranga eto amin’ny Firenena. Fandatsahana ain’olombelona ho fiarovana ny seza sy fahefana, ho fampanginana ny vahoaka mitaky sy maniry fiovana,… Izay tsy maratra na maty gadraina, iniana ampitarazohana ny raharaham-pitsarana mba hahatonga ireo tanora tsy ho afaka mikofoka ? Teny Iavoloha omaly, raha nangataka ny hanafahana an’i Mahavitara Sylvestre ny vadiny, izy izay nogadrain’ny Fitondrana Rajoelina kanefa lany depiote ihany, dia nilaza i Andry Rajoelina hope : «betsaka ny marary antsika : tsindrihazolena, fanagadrana tsy ara-drariny, kolikoly,… Zava-dehibe ny « pardon » na fifamelan-keloka. Mety misy antony samihafa ny antony andehanana any am-ponja, fa misy ny fanagadrana tsy ara-drariny. Araka ny fahefana nomen’ny lalàmpanorenana, afaka manao grâce présidentielle na amnistie. Hojerena daholo ny olona rehetra, hatrany amin’ny kely indrindra, ka izay nigadra tamin’ny tsy rariny dia hojerena ny fomba hamoahana azy ». Andaniny, niteny fa tsy midika fa hisy ny gaboraraka, fa ireo rehetra izay hamotika ny Firenena, handroba,… dia tsy ekena, fa hosaziana. Sokajiany ho ao anatin’izany ireto tanora mitaky fiovana sy fanovana ? Halentika sy potehina noho ny fijoroany ny tanora fa ny mpanao trafikana harem-pirenena, ny mpamadika ny volana 48kg ho bolongam-by, ny nanondrana volamena 73kg, ny nosamborin’ny Fanjakana Britanika noho ny afera maloto goavana, ny nanao heloka iraisam-pirenena tamin’ny aferana fiaramanidina miisa 5,… tsy mba misy nalefa tany Tsiafahy. Izany ve ilay hanova ny fomba fitantanana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap