atokiso ireo manam-pahaizana ! »
Naneho fankaherezana ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny mpandray fitenenana, sady niantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanome tànana amin’ireo havana traboina. Tsy tokony ho fiteny fotsiny ny firaisankina, fa asa sy fihetsika. Raha ny vahiny aza manao izay azony atao, dia tokony ho isika vao mainka hifampizara sy hifamonjy. Potika hatrany amin’ny 80–90% i Toamasina. Tsy mpaminany ny mpikaroka, fa amin’ny maha manam-pahaizana azy dia efa nanao fandalinana izy ireo. Nisy Océanographe nanazava ny fanotorana ny sisin-dranomasina sy ny fahasimban’ny mangrove amin’ny moron’ny ranomasina indianina. Madagasikara dia isan’ny firenena marevo amin’ny fiovan’ny toetr’andro: miha masiaka ny rivodoza, miha miova ny ranomasina. Dimy taona lasa dia efa nisy manam-pahaizana nilaza fa ho henjana ny fiantraikany raha misy rivodoza ao Toamasina. Ny fanotorana ny seranan-tsambo dia tsy manohitra fandrosoana, saingy mbola betsaka ny zavatra mila halalinina. Miha masiaka sy mitombo ny loza an-dranomasina, ka fotoana izao hihainoana ireo manam-pahaizana izay fitiavan-tanindrazana no hitenenany.
VITAN’NY HAFA VE TSY HO VITANTSIKA
Zava-misy iray isan’ny nozarain’ity manam-pahaizana ity any ivelany, toy ny any Rwanda izay nahena 20–70% ny vidin’ny fanafody. Any Etazonia, rehefa misy loza dia mifamonjy ny olona, midina ny vidin’entana. Nahoana no sahy miteny an’ireny i Ibrahim Traore mahavita miteny an’ireny ary tonga dia ny zavatra marary ny vahoaka amin’ny resaka fahasalamana hoe ampidino 50% ny vidin’ny fanafody. Eto Madagasikara kosa, mifanohitra amin’izany: mbola tsy tonga ny rivodoza dia efa misy manafina entana, avy eo akarina ny vidiny. Misy very asa, very fananana, very harena, kanefa mbola misy ny manararaotra, hoy izy. Misy ny te hanome fa tsy matoky hoe tena ho tonga any am’ireo traboina ve ? Mbola manjaka ny fanararaotana loza, tsy ampy ny « éducation civique », tsy ampy ny etika,... Tsy hoe mangalatra ny Fanjakana, fa misy tena io no maha mpanankarena azy. Tao anatin’ny 12 taona tsy nisy fiovana ny resaka kolikoly, kanefa andaniana volabe. Manjaka ny corporatisme, ny depiote tsy azo samborina noho ny immunité,… Ny olona sahy manapa-kevitra, izany no andrasan’ny olona, izaho tsy miteny hoe aloha loatra raha anatin’ny telo volana na manao fahagagana , fa mila mandeha mizotra makany amin’izany ny fanavaozana fa tsy hoe eto isika ny omaly tsy miova, fa tsy fizarana toerana no be dia be. Ohatran’ny misy vola ihany, afaka manome prime,… Ara-pizahantany, any Rwanda, na dia tsy manana harena voajanahary betsaka aza, dia mandroso noho ny filaminana sy ny fahadiovana. Izany no mampandroso an’i Rwanda izay tsy manana « reptile » afatsy 14 kanefa ny antsika tafakatra 122. Tsy mahay mivarotra isika, eto ihany no misy karazan-gidro betsaka indrindra, tsy misy afatsy eto Madagasikara. Mila atao fanamby, tokony ho vita herintaona ny 1000 000. I Costa Rica izay kely tsy manana ny harenantsika mahazo 4 miliara dolara isan-taona, tena faly sy mahay mandray ny mponina, tena misy ny antsoina hoe : « enthousiasme » fa ny antsika vao mivoaka ny seranana dia misy voahendaka,… saingy azo amboarina izany. Ny antsika, na dia manana karazan-gidro tsy fahita afa-tsy eto aza, dia tsy mahay mivarotra, manimba tontolo iainana,...
AMPIASAO IREO MANAM-PAHAIZANTSIKA
Ara-toekerana, mila fanamby sy fanovana kolontsaina: tsy “esprit d’épicier” fa “esprit d’entreprise”. Asarotina ny findramam-bola amin’ny banky, izay vahiny no mifehy azy. ,… Tsy tokony hanafatra vary ohatra isika, manana tany isika, manana manam-pahaizana navoakan’ny FOFIFA, kanefa mbola mamelona ny tantsaha vahiny. Maninona raha hanaovana « détaxation » io dia mba fitaovam-pamokarana no hafaran’ny olona fa tsy fatina friperia, fatina moto,… Fiveloman’ny olona mazava ho azy ireny fa maninona ny tantsahantsika raha ampiana dia tsy manafatra vary intsony isika, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Ny manam-pahaizana dia afaka manova zavatra, saingy tsy homena sehatra sy fitokisany, ka namerenany indray an’ilay hoe : « ampiasao izahay hanao fahagagana ». Ny tenany izay tsiahivina fa 24 taona mpampianatra an-tselika na « vacataire » hatramin’izao. Mila mahay miady amin’ny tombontsoa isika rehefa miara-miasa amin’ny firenena vahiny: 90% ny azy, 10% ny antsika ka izao ilay tena ilana mokon-doha, hoy ity manam-pahaizana ity. Izy izay manipika fa raha mampitaha amin’ireo vahiny hoe : samy nosoran-dReniny menaka ka vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika ?
Toky R
Légende : Pr Jonah Ratsimbazafy nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana Bemiray an’ny Top Radio FM 102.8 omaly
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona