Nahitsy ny Pr Jonah Ratsimbazafy naneho omaly, fa na dia tsy eken’ny olona sasany aza dia sarotra ny mampandroso firenena rehefa ambany ny "niveau d’instruction" na "tsy ampy solaitra" ny maro an’isa, kanefa hiandry ny fanampian’ny solaitra hiakatra ve izany vao hampandroso ny firenena? Dia mbola ho roviana izany? hoy hatrany izy. Aminy, ny azo atao dia atao lalàna mihitsy, satria maha voasazy ny mizara zavatra bôjy lava ka mahatonga ny olona ho kamo. Mila hampitomboana ny toe-tsaina hamorona orinasa. "Ampiakarina hanana "esprit d’entreprise" fa tsy "épicerie" ny olona hatrany amin’ny garabola ka tsy mahavita mamorona orinasa, fa tezaina hiandry diplaoma foana vao hanao zavatra", hoy hatrany ity manam-pahaizana Malagasy ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaizana azy hahalala ny harena-pirenena sy ny tsy fahatahorana hiatrika fifaninanana, raha ny soson-kevitra mafonja nataony. Notsipihiny fa tena olana lehibe eto amintsika io tsy fahaizana mitantana io, na toetra sy toe-tsaina maha "bon entrepreneur" na mpitantana mendrika. Efa sady tsy mahafantatra ny lanjan’ny hareny no mbola tsy mahay mitantana. Ohatra noraisiny ny hoe: resaka varika no nianarany kanefa voatendry ho mpitantana tompon’andraikitra dia tsy mahomby amin’ilay toerana nametrahana azy, kanefa noheverina fa mba olona mahay sy mendrika ihany. Tsy voatery hoe manana "leadership" dia mahomby amin’ny fitantanana, hoy hatrany i Pr Jonah Ratsimbazafy. Manamafy sy manaporofo hatrany ilay tenin'i Nelson Mandela hoe: "Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra ahafahantsika manova izao tontolo izao". Manan-kery hatrany ho an'i Madagasikara io satria na tiana na tsy tiana dia isan'ny lesoka lehibe eto amin'ny Firenena ny tsy fahampiana sy lesoka amin'ny fanabeazana, miteraka fahasarotana ara-pitantanana, lasa mametraka ny vahoaka ho vesatra fa tsy hery,... Amin'ny fomba ahoana tokoa moa no hahafahana mandroso raha ny lanjan'ny hareny sy ny fisiany aza tsy fantatra sy tsy ampianarina ny Malagasy ? Mbola tsy tara anefa isika, fa afaka manova tsikelikely, ary tokony hapetraka ho fanoitra lehibe ny fampianarana sy ny fanabeazana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»