airtel

Actualités

04-nov-2025

PR JOSEPH-GOVERNEMANTA VAOVAO

« Aza averinareo intsony ny

Sample post image

tsy nety nataon'ny teo aloha »

04-nov-2025

Heveriko fa efa tafatsangana tanteraka ny mpikambana eo anivon 'ny Governemanta amin ' izao fitondrana ho amin 'ny fanovana ny rafitra vaovaon 'ny Repoblika izao. Manafatra antsika aho hoy Pr Joseph, mpandinika raharaham-pirenena sady mpanao politika. Aoka isika samy hahay haka lesona ka tsy hiverina tamin 'ny nataon 'ny fitondrana teo aloha iny intsony hoy izy satria dia tsy nisy afa-tsy ny fitiavan - tena sy ny fitiavam - bola ary ny fanaovana tantely afa - drakotra ny harem - pirenena sy ny fanaovana an - keriny ny tany sy fananan ' olona no nanjaka teto Madagasikara nandritr ' iny fitondrana iny. Hinoana sy heverina hoy izy fa tena programan ' Andriamanitra ny naharava iny fitondrana teo iny noho ireo antony voalaza etsy ambony ireo, ka nitenenan ' i Jesosy ao amin ' ny Lioka 21 : 20 - 22 manao hoe : Ary raha mahita an ' i Jerosalema voahodidin 'ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin ' izany andro izany, aoka handositra ho any an - tendrombohitra ; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany ; ary izay any an - tsaha aoka tsy hiditra ao an - tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Koa araka izany dia, Andriamanitra mihitsy no mamaly ny hataontsika olombelona, ary dia iny nihanjahanja teto Madagasikara iny ny fahamarinan 'ny tenin ' i Jesosy izay nambarany etsy ambony io ! Fa etsy andanin ' izay hoy izy dia maro isika no mimenomenona sy manome tsiny an ' izao fitondrana mijoro izay tarihin 'ny filoham - panjakana Colonel Michael Andrianirina izao, raha mahita ireo fanetriben 'ny firenena tafatsoaka any ivelany avokoa na dia efa nahazo IST aza izy ireny. Tsy tokony hanome tsiny isika, fa efa voalazan ' i Jesosy etsy ambony io manao hoe : izay ao Jerosalema aoka handositra any ivelany. Fantatra moa fa mitrotro am-bavaka ireo mpitondra sy ireo tompon 'andraikim - panjakana rehetra ny Pr Joseph mba tena hahita fahombiazana feno eo am-panatontosana ny adidy masina ho an ' i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo ho voninahitr 'Andriamanitra izy ireo.
Pati
Légende : Pr Joseph mpanompon'Atra sady mpandinika raharaham-pirenena !