airtel

Actualités

06-févr-2026

PR JOSEPH- RAHARAHAM-PIRENENA

Miantso ny vahoaka hiray hina

Sample post image

amin'izao Fitondrana izao

06-févr-2026

Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena indray Pr Joseph mpanompon'Andriamanitra sady mpandinika raharaham-pirenena. Misy fomba fiteny ataon 'ny Tafika hoy izy manao hoe : Ho an 'ny Tanindrazana, sy ny hoe : masina ny Tanindrazana. Mba hahatontosa antsakany sy andavany an ' ireo teny filamatra ireo sy mba tsy ho fahazarana fotsiny ihany, dia tsara raha miray fo sy saina amam - panahy isika vahoaka Malagasy rehetra mba hiara - misalahy amin ' izao fitondrana ho amin 'ny fanavaozana ny Repoblika izao. Tanjona hoy izy ny hananana Madagasikara vaovao sy firenena vanona homban 'ny fahasoavan ' Andriamanitra, ka tena ho tanteraka eto amitsika ilay tonon - kira mitempo fitiavan - Tanindrazana izay tsy maty ao am - potsika manao hoe : " Tahionao ry Zanahary, ity Nosin - drazanay ity, Hiadana sy hofinaritra, He ! Sambatra tokoa izahay ". Heveriko mantsy fa antoka iray lehibe hahafahantsika Malagasy sy ity Madagasikara Tanindrazana hiombonantsika ity ho afaka ao anatin 'ny haizina mangitsokitsoka noho ny fanjakazakan ' ny kolikoly sy ny fahalovana ny fananantsika firaisan - tsaina sy fihombonam - po amam - panahy, ka mba tsy hisian 'ny tsy maty manota intsony eto Madagasikara. Koa mba hahafahan 'ny fahamarinana sy ny fahamasinana hanjaka eto amin 'ny firenetsika , dia aoka mba tena ho hankatohavintsika ilay tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny (Romana : 12 - 16) manao hoe : miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin 'ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Koa araka izany ary, dia hirariana hitohy hatrany ny asa ho amin 'ny fanavaozana eto Madagasikara, kanefa mba hampirindra tsara ny asa masina izay nankinin 'Andriamanitra amintsika, dia aoka hialantsika ny fizahozahoana sy ny fireharehana, fa hoy ny Tompo araka izay voasoratra ao amin 'ny (Ohabolana: 18 -12) manao hoe : Ny fireharehan 'ny fon 'ny olona mialoha ny fahasimbana ; Fa ny fanetren - tena kosa mialoha ny voninahitra.
Pati
Légende : Izy no Pr Joseph aminy !


 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap