airtel

Actualités

17-juin-2025

Pr Yvette Rabetafika

Namela mamy, fakan-tahaka amin’ny fitiavan-tanindrazana

Sample post image

Niamboho ny alahady 15 jona teo amin'ny faha 83 taonany i Pr Yvette Rabetafika,

17-juin-2025

vadin'ny Pr Ranjeva Raymond. Vehivavy nanana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny fikarohana sy sehatra maro. Niavaka, tsy tia sehoseho kanefa tena nanana ny maha izy azy tamin'ny lalana nodiaviny. Be fikirizana sy filamatra ho an’ny an’ny rehetra! Izy no vehivavy voalohany nahazo « agrégation d'anglais » tamin'ny taona 1966, fony izy vao 24 taona monja. Anisan’ny reharehan’ny Malagasy, vavolombelon’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanandratana ny maha izy azy satria teto Madagasikara no namitany ny fianarany. Mbola mpianatra izy dia efa nampianatra tany amin'ny kolejy protestanta, avy eo lisea izay vao niakatra teny amin'ny oniversite. Lasa mpampianatra mpikaroka taty aoriana. Izy no vehivavy voalohany voatendry ho ambasadaoron'i Madagasikara teo anivon'ny UNESCO. Andraikitra nahafahany nandray anjara tamin'ny famerenana amin'ny endriny tena mitovy ny lapan'i Manjakamiadana, Rovan'i Madagasikara. Efa mpikambana tao amin'ny Haut Conseil de la Francophonie sy solontena manokan'ny filoham-pirenena tao amin'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) koa izy. Mpikambana tao amin'ny Akademia malagasy sy ny Académie des Sciences d’Outre-mer ary ny Académie Africaine des Sciences, religieuses, sociales et politiques. Nandray anjara mavitrika tamin’ireo fikambanana akademika, koltoray, sosialy fivavahana izy. Mpikambana tao anatin’ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) izay nijoro ho arofanin’ny Firenena manoloana ny zava-misy ankehitriny ihany koa i Pr Yvette Rabetafika. Manamafy ny fiombonana alahelo sy maniry fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap