airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

QMM Taolagnaro Mpiasa 700 voasakana tsy afa-nody natory

Sample post image

Tsy afaka nody fa voatery nijanona tao anatin’ny toeram-piasany ireo mpiasan’ny kaominina manodidina ny 700 isa ao amin’ny QMM Taolagnaro alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy.

29-avril-2022

Antony ny fanakanan-dalana nataon’ny olona maherin’ny 200, nampitohy ny lalana mihazo an’i Taolagnaro sy Mandena. Nanao hetsika, hanerena ity orinasa ity hanonitra ny fandrarana ny asa fanjonona any an-toerana vokatry ny rano voalaza fa niteraka fahafatesana trondro tany an-toerana ny faha-12 martsa ny olona manodidina ny 200, hoy ny fanazavana. Milaza iteo, fa misy niantraika tamin’ny fiainan’izy ireo ny fepetra noraisin’ny tomponandraikitra tany an-toerana, taorian’ny fahitana ireo trondro maty, manodidina ny rano nivoaka ny faritry ny orinasa. Fandrarana izay tokony hofoanana na hotohizana rehefa mivoaka ny valin’ny fitsirihana natao mahakasika ny rano tany an-toerana , saingy mbola tsy nivaly sy nambara am-pahibehimaso hatramizao, hoy ny mpitokona. Nilamina ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny andro voalohany. Nisy ny fihaonana sy fivoriana niaraka tamin’izy ireo sy ny governoran’ny faritra Anosy ny Talata, ary nahitana vahaolana izany, saingy niverina indray ireo mpanao fihetsiketsehana afak’omaly. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ka afaka nody ireo mpiasa omaly maraina. Manamafy ny orinasa QMM etsy andaniny fa raha ny antontan-kevitra eo ampela-tanan’izy ireo hatrizay dia tsy tokony hisy fanahiana ny rano mivoaka avy amin’io orinasa io, satria efa misy ny fitiliana sy fanaraha-maso izany. Andrasana hatrany anefa ny valin’ny fitiliana izay natao farany, mba hanamarinana ny zavatra misy marina. Mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity satria etsy andaniny, dia misy ny feo mandeha fa trondro maty niniana natsipy no misy. Efa nisy ihany koa ilay resaka hampanaovan’ny Fanjakana « audit » ny QMM saingy tsy re ny tohiny.

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap