airtel

Actualités

30-mars-2022

Actualités

Raharaha CNaPS Afaka ireo mpiasa 9, takian’izy ireo ny fialan’ny “DG”

Sample post image

Afaka noho ny fisalasalana ireo mpiasan’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) 9 miandahy nohenjehina ho namoaka dosie,

30-mars-2022

 nanao ampamoaka momba ny raharaham-pitantanana ahiana ho feno afera goavana sy kolikoly. Tsy afa-po kosa ny mpiaro azy ireo izay nilaza fa fisalasalana dia midika fa nisy ilay heloka, fa ny porofo no tsy ampy. Manitrikitrika ny mpisolovava, fa tsy misy heloka. “Ny zavatra tena nandrasanay dia ho afaka madiodio izahay rehetra satria ny tolona izay nataonay sy ny zavatra navoakanay, dia famoaham-bola tsy toko tsy forohana. Raha misy ny “code de prévoyance sociale”, dia tena tsy manara-dalàna. Mitohy ny tolona, tsy vita teo amin’ny didy, mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo”, hoy i Jojo izay mpitarika sendikan’ny mpiasa. Noho izany, mitaky ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny CNaPS ny sendikan’ny mpiasa. Araka ny adininy amin’ny 2016-20 momba ny ady amin’ny kolikoly izay milaza fa tsy azo tendrena amina andraikitra ambony ny olona voarohirohy amina koliloly, ka mitaky ny fanafoanana ny fanendrena an’Atoa Mamy Rakotondraibe ny sendikan’ny mpiasa, araka ny fanambaran’izy ireo. Mangataka olona marina sy mahitsy efa niasa teo anivoon’ny CNaPS 15 taona raha kely indrindra, mahalala sy mahafehy ny “code de prévoyance sociale”, olona tsy voarohirohy amin’ny fanodinkodinanam-bola. Noho ny fahatsapana fa nisy ny fanaovana tantely afa-drakotra, mitaky ny fanasaziana, manohitra ny antsojay, tsy manaiky ny faneriterena ny mpiasa tsy haneho hevitra, hoy ny mpiasan’ny CNaPS. “Ny zavatra hanenjehana ny Tale Jeneralin’ny CNaPS sy ny Filohan’ny filankevi-pitantanana sy olona vitsivitsy, raha fanondikodinana volam-bahoaka izany tsy hita soritra izany. Misy “cabinet d’expertise” miisa 3 nanao tombana mikasika io kianja io, 9976 m² ilay tany eny Ambatobe, izay 12 miliara Ar, dia tsy tokony ho izany, nanaovan’ny CNaPS “placement” na petra-bola,… 300 miliara Ar isan-taona ny vola miditra amin’ny CNaPS, ka 5% izany eo io”, hoy kosa Rtoa Rinah Rakotomanga tamin’ny fahitalavitra iray ny herinandro lasa teo. Tsara moa ny manamarika fa ny Tale Jeneralin’ny CNaPS dia Filohan’ny filankevi-pitantanana ny Air Madagascar izay niova ho Madagascar Airlines, ary misy volan’ny CNaPS nalefa ihany koa amin’io kaompania anabakabaka io. Rtoa Rinah Rakotomanga kosa no Filoha lefitry ny filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines, ka lojika ihany ny fifampiarovana. Etsy andaniny, mandeha ny resaka fa misy ketrika avo lenta hananganana rafitra iray mitovy amin’ny CNaPS, ka mpandraharaha mpanefoefo iray no isan’ny ao ambadika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap