airtel

Actualités

11-oct-2021

Actualités

Raharaha Eddy Boaderozy Hiatrika fitsarana anio ireo mpitsabo

Sample post image

Navoaka ny takarivan’ny sabotsy teo ny i Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT.

11-oct-2021

 Ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina, izay voarohirohy tamina trafikana boaderozy ireo mpitsabo sady mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ireo. Notanana teny Anosy tao amin’ny « Surveillance du territoire » nanomboka ny zoma 08 oktobra 2021, ary navoaka 48ora taty aoriana. Tsy nahafaly ireo mpitsabo sy mpianatra ho mpitsabo ny fitazonana ireo namany sady Raiamandreniny, ka nanamafy ny fitakiany izy ireo ny sabotsy, niditra an-tsehatra ny « interne qualifiant » na ireo mpiofana ho mpitsabo mpandidy sy ny « interne », mpianatra. Tsy mankatoa ny fiahiahiana ireo dokotera roa ho mikononkonona fampitsoahana gadra izy ireo. « Mpitsabo no asanay fa tsy mpiandry gadra, ka tsy misy hidiranay izany », hoy hatrany ireto mpiasan’ny fitsaboana ireto. Tsy ny tao amin’ny Sampan-draharahan’ny fandidiana ihany fa ny mpianatra ho mpitsabo rehetra, ary miombona amin’izany ny manerana ny Nosy manodidina ny 5000, hoy izy ireo. Nanapa-kevitra fa tsy hiasa mihitsy izy ireo raha tsy mivoaka ireo Raiamandreny, nilaza fa ny aretina mihatra aman’aina ihany no raisina. Mahaleo tena ny fitakiana fa tsy mpikambana ao amin’ny sendika, saingy tsy mifanoha-kevitra izahay, feno ny kapoaka, hoy ireo mpitsabo. Ny takariva moa, dia iny nivoaka iny ireo mpitsabo roa ireo, saingy mbola tsy tapitra eo akory ny raharaha fa anio alatsinainy 11 Oktobra 2021 no hakarina eny anivon'ny fitsarana (deferrement) izy ireo, ka dia andrasana ny tohiny.
ENCADRE
Etsy an-kilany, voalaza fa mbola tànana eny Anosy i Eddy Maminirina, izay marary mafy, sy sempotra, nefa tsy misy Oxygène. Voahidy eny Anosy ihany koa ireo mpiambina fonja niandry azy teny amin'ny hopitaly HJRA. Raha hiverenana kely ny tantara, rehefa nandeha ny fitsirihana, dia tsy tao amin’ny efitrano nitsaboana azy I Eddy Maminirina, fan aka rivotra tao amin’ny faritry ny Hopitaly no niantombohan’ity raharaha ity. Vao avy nandidiana ihany koa ny avokavok’ity mpandraharaha nenjehina tamina trafikana boaderozy ity, izay nosamborina ny 12 febroary 2019, ary nalefa tany Tsiafahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap