airtel

Actualités

06-janv-2011

Actualités

Raharaha FPVM «Fanalana devoly mihitsy no natao», hoy ireo mpiandry

Omaly dia natolotra teny amin’ny Fitsarana ireo olona fito voarohirohy tamin’ilay resaka horonantsary mamoafady notontosaina tao amin’ny fiangonana Fpvm Antaninanandrano.

06-janv-2011

Pasitera ny Fpvm any Mahajanga ny iray, mpiandry ao Antaninandrano ny roa, ilay metisy karana izay voalaza fa nanaparitaka, ny iray tamin’ireo vehivavy nampoboridanina, ilay lehilahy mpilalao fototra ary ny cameraman ny farany. Araka ny loharnaom-baovao dia niainga tamin’ny fitokanana mpiandry teny Ambatomirahavavy ny 17 aogositra 2010 ity tantara ity. Tamin’io no voalaza fa efa niseho lany ny fanahy ratsy tamin’ny iray tamin’ireo vehivavy roa ka miezaka manatona ilay lehilahy voalaza fa mpilalao fototra izy. Misy fanahy ratsy ihany koa ity farany ka alaina devoly tamin’io fotoana io. Voatery nosamborina mihitsy ilay vehivavy tamin’io ka tamin’izany no nahitana ody gasy tany aminy. Rehefa noresahina izy dia nanaiky ny hanesorana io fanahy ratsy io tao aminy ary nilaza fa mbola misy ody ratsy any an-tranony eto an-drenivohitra.

Tonga tany ny mpiandry araka ny loharanom-baovao ihany nanala ireo ody ratsy ireo. Ny 19 aogositra 2010 no tapaka fa esorina ao am-piangonana ny fanahy ratsy tamin’ireo olona ireo. Nanomboka tamin’ny 7 ora izany. Ilay nivoaka tamin’ny horonantsary iny kosa dia no fantatra fa ny teo anelanelan’ny tamin’ny 10 ora alina ka hatrmain’ny 1 ora maraina. Ny tanjona tamin’ny fakana ilay horonantsary araka ny fantatra dia entina haseho ny ray aman-drenim-piangonana. Nilaza moa ny mpisolovava ireo voapanga omaly teny amin’ny Fitsarana fa «raharaha tokantranon’ny fiangonana Fpvm ity mitranga ity. Anjaran’ny ray aman-dreny ao no mandamina izany. Izao anefa tonga ety amin’ny Fitsarana ka ireo ray aman-dreny natao handamina indray no mitory». Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny vadin’ilay metisy Karana nosamborina tany Mahajanga fa tratry ny tsindry hazo lena izy ireo. «Efa Dvd no nentina tao amin’ny «multi-service-nay ka avadika VCD iray amin’ny sarany 5 000 ariary. Efa tamin’ny volana aogositra tany angamba izany zavatra izany fa tsy tsaroanay intsony. Gaga anefa izahay fa voalaza ho mpanaparitaka ilay horonantsary», hoy ilay ramatoa.

Manodidina ny tamin'ny valo ora sy sasany alina, omaly, mbola maromaro ihany ny olona tokony hohadihadiana tao amin'ny fampanoavana mahakasika ity raharaha FPVM ity. Rehefa hitan'ny mpitsara anefa fa alina loatra ny andro dia nahemotra anio na koa hotohizana anio ny fihainoana ireo izay voarohirohy tamin'iny raharaha iny. Afaka nampodiana izy ireo rehefa nampanasoniavin'ny mpitsara taratasy antoka, sao sanatria mantsy mitsoaka dia tsy hiverina ao amin'ny fitsarana intsony. Anio izany no hahafantarana raha hiditra am-ponja ireo olona na koa hahazo fahafahana vonjimaika...
 
Rakoto Maxime
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap