izay nahafatesana olona telopolo mahery sy naharatrana maro. Tolo-kevitra niainga avy amin’ny Depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa. Naneho izay fa tsy afaka hitompo teny fatratra na teo aza ny fidinana ifotony nataon’ny Solombavambahoaka ka nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka hilaza ho manana ny marina. Izany indrindra no antony hananganana io vaomiera mpanadihady io, dia ny mba hikarohana ny marina mikasika io toe-draharaha io ary mba tsy hiverenan’ny zavatra toy ireny intsony, ary fangatahan’ny vahoakan’Ikongo, ny fianakavian’ny maty, ny Malagasy mpiray tanindrazana,… hoy ny fanazavana. Tanjona ny hahafahantarana ny andraikitry ny tsirairay tao anatin’ny raharaha sy ny tsy hiverenan’ny zavatra tahaka ireny intsony satria sarobidy sy ambony ny aina amin’ny Malagasy, hoy izy. Nomarihin’io olom-boafidy io, fa mampalahelo ny zavatra nisy teto an-dRenivohitra fa hoe: nisy nikasa hamono ny ben’ny tanàna ny faran’ny herinandro teo. Taorian’izany dia nirarakopana ny fanamelohana an’izany fikasana hamono izany, izay hisaorana an’Andriamanitra tsy voa ary salama tsara ny ben’ny tanàna, fa ireto vahoakan’Ikongo dia be ny maty noho ny tifitra nataon’ny mpitandro Filaminana, ka niangavy amin’ny solombavambahoaka mba hanome rariny ny fananganana ity vaomiera ity ny tenany, ka io lany io ny fananganana vaomiera, na dia solombavambahoaka vitsy aza no tonga nivory. Hanao ahoana izany ny ho tohiny? Hizaka ny saziny avy araka ny lalàna ve ireo izay rehetra voasokajy ho fositra mivantana na ankolaka ka nahatonga ny zava-doza nandripahana olona tao Ikongo?
Toky R
Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »
Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,
Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.
Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany
Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.
Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy