raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana dia voalaza fa tsy nandoa tamberim-bidy na "ristourne" ilay mpandraharaha lavanila voakasika amin' ity raharaha ity ka nanaovana fanadihadiana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary tonga hatrany amin’izao fampidirana azy am-ponja izao. Miaka-bidy ny lavanila amin'izao fotoana izao ary mampahazo aina ny tantsaha sy ireo mpisehatra ny lavanila, indrindra ireo mpandraharaha izany. Izay fiakaram-bidy eo amin’ny lavanila izay no misy akony eo amin’ny fifaninanan'ny samy mpandraharaha lavanila any an-toerana. Ahiana ny fisian'ny antsojay samihafa manodidina ny nahatonga izao fanenjehana sy fampidirana am-ponja izao. Mipetraka rahateo ny fanontaniana, angaha tsy azo atao ny mampandoa ilay tamberim-bidy na "ristourne" na misy lamandy mifandraika amin’izany no tonga hatrany amin’ny fampidirana am-ponja avy hatrany mihitsy sa misy te hanao ampihimamba ity fandraharahana lavanila ity koa any an-toerana? Andrasana ny tena marina sy ny tohin'ity raharaha lavanila tao Maroantsetra ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny