airtel

Actualités

11-janv-2022

Actualités

Raharaha Madagascar Espace Ramatoa manodidina ny 50 taona no nanao kaonty fako

Sample post image

Kaonty Fako na “Compte Fake” mitondra ny anarana hoe “ Wella Romene” no nanaparitaka vaovao tsy marina mahakasika ny trano fandraisan-danonana,

11-janv-2022

 Madagascar Espace, izay nahatonga resabe tao anatin’ny tambazotra sosialy Facebook, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nandray ny andraikiny, noho izany, ny manampahefana ka tamin’ izany no nahafantarana ny tena tompon’io kaonty io. Ramatoa iray manodidina ny 50 taona, ary azo lazaina ho manana ny maha izy azy, saingy manao kaonty fako entina hanenjehana na hanaratsiana olona. Fantatra tamin’ ny fanadihadiana natao taminy, hoy ny loharanom-baovao, fa tsy namonjy mariazy tao akory ity ramatoa ity. Izy anefa no namoaka ny vaovao tao amin’ ny fb hoe “ ny sabotsy… niditra tao ny mariazinay…”. Fanaratsiana sy lainga ny tohin’ io fehezanteny io avy eo, hoy ny fanazavana. Akoho sy “petit pois” no naparitany nefa gisa sy henan-kisoa no laoka tao amin’ilay mariazy. Io fanehoan-kevitra nataona kaonty fako io dia naranty tao amina vondrona iray anaty fb hatrany. Araka ny lalàna dia tompon’andraikitra amin’ ireo fanehoan-kevitra ao amin’ny rindriny ny mpiandraikitra ny vondrona, hoy hatrany ny fanazavana, ary tonga hatramin’ ny fandrahonana ho faty ny tompon’ity trano filanonana ity ny resaka taorian’ ny vaovao tsy marina naparitaka. Mitohy moa ny fanadihadiana, hoy hatrany ny fampitam-baovao, mahakasika ity raharaha ity.
J. Mirija
Legende: Ny Madagascar Espace, lalana mihazo an’Ambohimangakely
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap