airtel

Actualités

06-mars-2023

Actualités

Raharaha Masoivoho any Frantsa Nanamafy ny fisian’ilay fanararaotam-pahefana i Rinah R

Sample post image

Marobe ireo manontany ahy, ka na dia lazaina aza fa hoe ny marina rehetra tsy filaza dia lazaiko foana ity satria efa tena marary ireo mpiara-miasa ilay niharitra azy nandritra ny 4 taona”

06-mars-2023

hoy Rtoa Rinah Rakotomanga mikasika ilay raharaha fitakian’ny mpiasan’ny masoivoho Malagasy any Frantsa ny fanesorana ny Mpanolontsaina voalohany Rtoa Randimbiarisoa Ramiakoliarosoa Mamonjisoa na “Mishou”. Nambarany tao amin’ny tambajotran-tserasera fa tena marina ary zava-misy iainan'ny mpiara-miasa eo anivon'ny mosoivoho ao Paris ireo voalazan’ny mpiasa. “Izaho izay mpanolontsaina tao dia manamafy ary manamarina fa tsy mety ary tsy azo ekena intsony na amin'ny mahaolona na arak”asa na ara-panjakana ny zava-misy ataon'ity ramatoa Mishou Randimbiarisoa. Io no niteraka ny adinay tao ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Tsy mpiara-miasa, tsy ambasadaoro, tsy Malagasy mila fanampiana avy amin’ny Masoivoho, tsy misionera, tsy minisitra, tsy praiminisitra, eny fa na ny Filoham-pirenena aza dia ataotaon'io ramatoa voalaza anarana io avokoa satria hono izy no mahay sy afaka miteny ny rehetra ary zokiolona ka tokony hohenoin-teny”, hoy hatrany I Rinah Rakotomanga, izay marihina fa efa niasa tany amin’ny masoihontsika tany Frantsa rehefa nesorina tsy ho Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Mbola nampiany aza fa tsisy fanajana, tsisy fahaizana fa entin'ny saina maniditsidina fotsiny sady tampoham-pahefana ka manambany olona, mampihorohoro, mampandainga olona, manalika ny hafa, manararaom-pahefana, mandrahona ny rehetra satria hoe akaiky ny Filoha mivady. Dia izao notendren'ny Filoha izao foana no lazaina, izao hoe hoy ny Filoha izao foana na tsy marina aza no ampitahorana ny rehetra... Efa nolazaina foana fa izany no manimba ny Filoha saingy hoe: marary izy dia nasaina nilefitra ny rehetra na izaho aza saingy heveriko fa tsy azo ekena intsony izany ankehitriny ary hijoro aho hanampy ireo mpiara-miasa hiharan'ny tsindry hazolena ary mbola hijoro satria tsy izy irery no manao toy io ka mitonona hoe notendren'ny Filoha ka tsy azo kitihina, hoy hatrany I Rinah Rakotomanga. Nahitsy ity farany nilaza fa mila miomana dieny izao izy rehetra ireny na Gasy na Vazaha fa hoavy izy amin'ny angady sy ny harona fa ampy kosa angamba izay fahanginana noho ny fihavanana, fa tsy maintsy hijoro sy hiteny ampahibemaso amin'izay aho noho ilay tombotsoam-pirenena. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap