hoy ny fitarainana voaray avy amin’ny fikambanana tarihin’i Ninie Donia ao an-toerana, Zafinifotsy, omaly. Lasa ny tsena sy ny toerana nambolena sy nihariana an-taona maro, hoy ny filoha lefitr’izy ireo, Fanja Niaina. Misy ny fitoriana napetraka fa tsy misy valiny hatramin’izao. an-jatony maro ny fitarainan’ny madinika mikasika ny fakan’ireo olo-maventy ny tany. Tanin’ny SIRAMA efa tokony hiverina amin’ny Malagasy izao no tena olana, hoy hatrany ny fanazavana. Alana amin’ilay tany ny madinika dia ny mpanam-bola no apetraka eo. Anio alarobia 29 jona moa no hiakatra fitsarana ny raharaha. Efa hatramin’ny andron’ny fanjanahantany no nanajarian’ireo mponina ny tany. Misy tsy manana afa-tsy ireo eo amin’ny fiainany. Mangataka ny hijerena anay madinika izahay ary mangataka ny hamotsorana ny mpitarika ny fikambananay, Ninie Donia, ihany koa satria tsy misy mitombina ireo fiampangana azy fa noho ny fiarovany anay no mahatonga izao fanenjehana azy izao, hoy hatrany izy ireo. Andrasana rahampitso 30 jona moa ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha Ninie Donia ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, raha toa ka mbola notanana am-ponja hatrany ity mpanakanto ity hatramin’ny omaly.
J. Mirija
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”