airtel

Actualités

29-juin-2022

Actualités

Raharaha Ninie Donia “Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana”

Sample post image

Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,

29-juin-2022

hoy ny fitarainana voaray avy amin’ny fikambanana tarihin’i Ninie Donia ao an-toerana, Zafinifotsy, omaly. Lasa ny tsena sy ny toerana nambolena sy nihariana an-taona maro, hoy ny filoha lefitr’izy ireo, Fanja Niaina. Misy ny fitoriana napetraka fa tsy misy valiny hatramin’izao. an-jatony maro ny fitarainan’ny madinika mikasika ny fakan’ireo olo-maventy ny tany. Tanin’ny SIRAMA efa tokony hiverina amin’ny Malagasy izao no tena olana, hoy hatrany ny fanazavana. Alana amin’ilay tany ny madinika dia ny mpanam-bola no apetraka eo. Anio alarobia 29 jona moa no hiakatra fitsarana ny raharaha. Efa hatramin’ny andron’ny fanjanahantany no nanajarian’ireo mponina ny tany. Misy tsy manana afa-tsy ireo eo amin’ny fiainany. Mangataka ny hijerena anay madinika izahay ary mangataka ny hamotsorana ny mpitarika ny fikambananay, Ninie Donia, ihany koa satria tsy misy mitombina ireo fiampangana azy fa noho ny fiarovany anay no mahatonga izao fanenjehana azy izao, hoy hatrany izy ireo. Andrasana rahampitso 30 jona moa ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha Ninie Donia ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, raha toa ka mbola notanana am-ponja hatrany ity mpanakanto ity hatramin’ny omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap