an-dRtoa Raissa Razaivola niseho imasom-bahoaka ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fanolorana asa vita dia ny làlana rarivato mirefy 1Km sy 600m teny amin’ny kaominina Ampitatafika, izay ny fikambanana tarihiny no nahavita izany. Ity farany izay, raha tsiahivina dia nohelohina fito taona hiasa an-terivorozona ny volana mey 2023. Nenjehina tamin’ny afera maro samihafa, ary niampanga mpitsara ambony sy olona maro ho nandray volabe taminy. Nosokajiana ho isan’ny gadra politika, ka nivoaka taorian’ny fiovam-pitondrana farany teo. Isan’ny nitory azy ry Naivo Raholdina saingy nanatsoaka ny fitoriany sy niala-tsiny teo anoloan’ny mpitsara sy ireo olona nanatrika ny fotoam-pitsarana mba hanafahana an’i Raissa ny jona 2023 ka nilaza fampiadian’olona no navadika ho resaka politika ity afera ity. Ny sabotsy teo, nijoro ofisialy ho niaro azy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta. "Mijoro androany ny Fikambanana izay tarihin-dRtoa Raissa. Aoka izay ny fanaratsiana azy sy ny fanenjehana azy , fa raha nisy antony nanagadrana azy dia ny fijoroany amin’ny fahamarinana ! », hoy i Gascar Fenosoa. Nanizingizina ity Minisitra ity fa mpandraharaha Malagasy nijozo sy niady ho amin’ny fahamarinana i Raissa Razaivola, fa tsy nety tamin’ny fitondrana volomboasary. « Amin'ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary amin'ny maha mpitondra tenin'ny Governemanta no ilazako hoe aoka izay ny fanaratsiana sy ny fanenjehana an'i Raissa Razaivola, fa olona mijoro amin'ny fahamarinana izany Raissa izany », hoy i Gascar Fenosoa. Manaitra sy mahalasa saina ihany na izany aza ny hoe : tena antony ara-politika ve ny nanagadrana an’i Raissa Razaivola ? Tena tsy nisy nitombina ve ireo vesatra samihafa nanenjehana azy toy ny resaka kolikoly avo lenta ? Tsy mitombina ve ireo raharaha momba azy toy ny « rabattage » sy « trafic d'influence » nahasaringotra azy teny amin’ny Fitsarana ? Sao mba tokony hisy fanazavana ara-teknika sy ara-pitsarana ofisialy mafonja kokoa eo anatrehan’ny adihevitra sy ahiahy samihafa ?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»