ho an’ny mpandeha fiaramanidina manoloana ny fisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara nanomboka ny 05 martsa 2022 teo. Tsy azo entina atao entana enti-tànana na « bagage à main ». Niteraka resabe hatrany amin’ny vaovao iraisam-pirenena io, ary nataon’ny olona fihomehezana mihitsy ity minisitra ity sy ny Mpitondra Malagasy. Nilaza tao amin’ny tambazotran-tserasera tetsy ankilany Atoa Razafimbelo Alain Manajary izay Coodonateur Général des projets eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, fa « Tsy avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana mihitsy izany fanambarana momba ny « valise izany. Koa ajanony ny fanaratsiana atao amin’ny Minisitra Tinoka Roberto ». Tetsy ankilany anefa, nanamafy ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Tinoka Roberto omaly 07 martsa, fa fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny 23 febroary teo ny fandraràna ny fampiasana ny kitapo na valizy misy kodiarana atao « bagage à main ». Ny antony, 90% -n’ireo fanondranana an-tsokosoko ny volamena eto Madagasikara dia tamin’ny alalan’ny “bagage à main” avokoa, hoy io Minisitra io. Nambarany fa voarara ihany koa ny fitondrana ny solosaina ordinatera atao entana enti-tànana, koa hajanona satria misy mahavita manova ny « plaque » sy ny vatoaratra na « batterie » hanafenana volamena. Alefa any amin’ny « soute ». Ady amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izany no nahatonga izany, hoy izy.
TSY MAHAFEHY NY SEHATRA TANTANINY
Faharoa taorian’ny nilazan’ny Minisitra Tinoka Roberto, fa « sambany no nisy rivodoza misy masony », dia resabe iny lasa resabe iny ny valizy misy kodiarana, ary ataon’ny olona fihomehezana. Vao mainka afa-baraka nivadibadi-dela. Mikorontana ambony ambany ihany koa ilay minisitera. Momba ilay vatoaratra na “batterie” Lithium, araka ny fepetra iraisam-pirenena noraisin’ny OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale) nanomboka ny 01 aprily 2016 anefa, dia ahiana hitera-doza satria mety hipoaka ny vatoaratr’ireny fitaovana ara-teknolojia ireny (tablettes, ordinateurs, finday) ka tsy azo atao any anaty « soute ». Mbola nijoboka ihany koa tamin’iny ka voafehin’i Tinoka Roberto ve ilay Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro? Sa manao ny mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa?
Toky R
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny