airtel

Actualités

05-nov-2021

Actualités

Raharaha volamena 73,5kg Efa eto Madagasikara ny tompon’ilay fiaramanidina ?

Sample post image

Efa ho feno herintaona afaka roa volana latsaka ny raharaha trafikam-bolamena nahatratra 73,5 kg sarona tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Tsy tena misy tohiny firy intsony fa mangina tanteraka.

05-nov-2021

 Efa misy ireo olona am-polony nadoboka eny Tsiafahy sy Antanimora, misy mpiasan’ny ladoany, mpitandro filaminana, mpanamory,… Hatramin’ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) tamin’izany Atoa Rabemanantsoa Ramaholimihaso Tovo aza, dia nidoboka am-ponja vonjimaika ny 27 mey 2021, raha toa ka tsy mba voakitikitika kosa ilay mpandraharaha Frantsay Gilbert Biny tompon’ny Kaompania STA nisy ny firamanidina 5R-ASB nitondra ny volamena nivoaka an-tsokosoko teto. Tsy mbola nisy fitsarana hatreto, fa toa mihiboka any am-ponja aloha. Manomboka mandeha ny tsikera noho ny fahatsapana endrika fitanilana, araka ny fanamarihana azo. Isan’ny nampametra-panontaniana ny maro ny mikasika ilay tompon’ny kaompania io. Vao nangotrangotraka ny raharaha, dia niala haingana, tafavoaka ny sisin-tanin’I Madagasikara izy ny tapaky ny volana janoary, ka voalaza fa antony ara-pahasalamana EVASAN (Evacuation Sanitaire) no nivoahany, ka taorian’ny fandehanany no voalaza fa nalaina “ambulance” teny Marivolanitra ihany koa ny vadiny ny 15 janoary, ka nandeha niondrana tany La Réunion. Ny 18 janoary 2021 isika teto amin’ny Tia Tanindrazana no namoaka io fivoahana any ivelany io, saingy tsy nisy fanamarihana sy fandisoana ofisialy. Tena antony ara-pahasalamana ve no nivoahan’io vazaha io tamin’izany sa fitsoahana ny raharaha nangotraka teto? Ny endrika toa fitsoahana na famoahana azy haingana hiala an’I Madagasikara tamin’izany dia mampanahy. Ny fitsarana no manana ny fahefana hanameloka na hanafaka olona iray, fa ny fanontaniana manitikitika dia hoe: raha tena mahatoky tena ho madio sy marina tokoa izy nahoana no tsy sahy niatrika ny zava-misy teto Madagasikara, fa tsy nivoaka tany ivelany? Ankehitriny, misy ny loharanom-baovao azo, fa efa eto Madagasikara Atoa Gilbert Biny. Efa milamindamina sy mitsilabolabo eny Ambatobe amin’izao fotoana izao, hoy io loharanom-baovao io. Efa manana antoka ve fa tsy ho voasaringotra intsony? Ary mba manao ahoana ireo Malagasy mifafa ny kiho any Tsiafahy tsy misy fitsarana?


Mbola voatazona any Afrika Atsimo ireo 3 lahy nahatrarana izany sy ny volamena, na nisy aza ny fanambarana nataon’ny manam-pahefana Malagasy ny 6 janoary 2021, fa hampodiana eto Madagasikara mialohan’ny 12 janoary 2021 ireo sy ny entana. Hatramin’izao, tsy misy tohiny firy intsony ny raharaha, toa tsy mahomby ny diplaomasia fa boriboriana lava amin’ny hoe: efa mandeha ny fifampiraharahana ara-diplaomatika sy ara-pitsarana.

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap