eny amin’ny Antenimiera
Nolanian’ny antenimierampirenena omaly alakamisy 11 desambra 2025 ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-001-2025/PR navoaka ny 15 Novambra 2025, izay mikendry ny hananganana Vaomiera mpanao famotorana momba ny fitantanana ao amin’ny JIRAMA. Navoitra fa ny tsy fahampian’ny herinaratra sy rano, ny tsy fanatsarana ny tolotra na dia nahazo famatsiam-bola goavana nandritra ny taona maro aza ny orinasa, izay niteraka resabe sy korontana nanerana ny firenena ary nisy fiantraikany mavesatra teo amin’ny sehatra ara-toekarena, sosialy ary politika. Tanjona, hoy ny serasera, ny hamerenana amin’ny laoniny ny JIRAMA amin’ny alalan’ny drafi-panarenana vaovao sy ny hamaliana ny hetahetam-bahoaka. Voafidy ho filohan’ny Vaomiera ny solombavambahoaka Razafindramasy Faralahy Célestin, solontenan’i Benenitra, ary ahitana mpikambana miisa 15 ny Vaomiera vaovao. Tsy vao izao anefa no nipoitra ny olana fa efa maro ny afera maloto voatonona tao amin’ny JIRAMA, anisan’izany ny raharaha kolikoly sy hosoka nahavoasaringotra mpiasa sy mpitantana maro, izay mety ampahany ihany. Tamin’ny volana Oktobra 2020, mpiasa 18 no niakatra teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption), ka 3 no voafonja noho ny hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny fividianana “groupes électrogènes” ho an’i Manja sy Ambovombe. Tamin’ny volana Martsa 2022, tompon’andraikitra ambony 48, anisan’izany ny tale jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga sy Rivo Radanielina, no voaheloka 10 taona an-tranomaizina sy asa an-terivozona noho ny kolikoly sy fitantanana tsy mazava, ary nisy sorabola hatramin’ny 2,5 miliara ariary voalaza fa voahodinkodina. Tamin’ny taona 2021, nisy ihany koa ny fandoavana « primes » sy tombontsoa tsy ara-dalàna, toy ny fanomezana fiara 4x4 sy fandoavana vola mihoa-pampana, izay nahatonga fatiantoka 2,7 miliara ariary ho an’ny orinasa,... Ireny raharaha ireny dia manaporofo fa nisy fitantanana tsy mazava sy kolikoly mavesatra tao amin’ny JIRAMA, izay nahatonga fatiantoka ara-bola goavana sy fahaverezan’ny fitokisan’ny vahoaka. Mety mbola maivana anefa ireny mitaha amin’ny fifanarahana goavana samihafa amin’ireo mpamatsy, izay efa nambaran’ny Minisitry ny angovo moa fa hisy « Audit » na fitsirihana lalina ka hotapahana ireo fifanarahana mambotry. Dia andrasana izany ny vokatry ny fanadihadiana samihafa sy ny ho fiantraikany any amin’ny Jirama sy ny tolotra omeny.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»