Raha tsiahivina kely ny tantara dia anisan’ireo mendrika indrindra tamin’ny fifaninanan-kira La voix d’or nokarakarain’ny vata fahitalavitra tsy miankina iray teto amintsika izy. Anisan’ny nambabo ny fon’ny maro tamin’ireo hira nohirainy ny hiran’ny tarika Mahaleo toy ny Jamba, Isekely….nandritra ny fifaninana nataony. Ny feon’i Denise kosa no tena hankafiziny sy tiany ary mbola tsiriritiny mandraka androany. Tafaverina soamantsara an-tanindrazana ny tovovavy kely rehefa avy niala sasatra kely nandritra ny herinandro tany am-pitan-dranomasina tany ho valin’ny ezaka nataony. Mbola niampy subwoofer sy finday ary micro d’or izany fanomezana izany. Nomarihin’ity tovovavy kely ity moa fa anisan’ny nanampy azy tamin’izao fahombiazany izao ny vavaka nataony isan’andro teo anatrehan’Andriamanitra. Faniriany araka izany ny ho lasa mpihira malaza raha asa anisan’ny tiany ihany koa ny ho lasa mpampianatra matihanina.
Pati
Legende : Mbola zaza saingy efa tena matotra i Tiavina kely
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny