airtel

Actualités

29-avril-2024

RAHONA MIARAKA AMIN’NY ANDRO RATSY

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana any amin’ny Faritra

Sample post image

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana eto amintsika manomboka rahampitso Talata raha araka ny fanazavan’ny

29-avril-2024

sampana mpamantatra ny toetr’andro. Ny Faritra Avaratra Atsinanan’ny Nosy no tena voakasik’izany izay mety hahatratra 40 ka hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora monja. Noho ny fisian’ny rahona miaraka amin’ilay faritra andro ratsy any Avaratr’i Madagasikara moa no anton’izany. Hitohy ny andron’ny Alarobia, Alakamisy ary ny Zoma izany any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ka mety hahatratra 50 hatramin’ny 150mm mihitsy ny refiny ao anatin’ny 24 ora. Miantso ny rehetra mba samy hitandrina araka izany ny any amin’ireo faritra voalaza ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Lohalaharana amin’ireny ireo mipetraka amin’ny faritra iva sy manamorona ny ranomasina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ho betsaka ny ranon’orana amin’ity herinandro ity any amin’ny faritra !


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap