airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Raikitra ny sahotaka teny amin’ny fitsarana Voaheloka hiasa an-terivozona 7 taona i Raissa

Sample post image

Voaheloka 7 taona hiasa an-terivozona i Raissa Razaivola, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly tetsy Anosy. Naharitra ora 5 ny fitsarana ity voapanga ity,

05-mai-2023

raha ny fampitam-baovao voaray. Vesatra niampangana azy ny fikasana hamono olona. Tsy nisy tonga niatrika ny mpitsara ireo vavolombelona miisa 3 avy amin'ireo mpitory izay efa nanatsoaka ny fitoriana. Noho izany dia ny fampanoàvana, misolo tena ny minisiteran’ny fitsarana no manenjika an'i Raissa Razaivola.
« NOTERENA AHO HANONONA ANARANA… »
Taorian'ny nivoahan'ny didim-pitsarana dia raikitra ny sahotaka raha iny ity voampanga nentina nivoaka ny fitsarana iny satria dia nitabataba eraky ny lalantsara i Raissa Razaivola fa navoaka daholo ny mpanao trafika. Noterena aho, hoy izy, hanonona ny anaran’i Fanirisoa Ernaivo fa raha tsy izany dia omena sazy enjana saingy tsy hanonona izany hatramin’ny farany aho na inon-kidona na inon-kihatra. Nitondra ny fanehoan-keviny koa moa ny vadin’ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera voafonja, Mahery Lanto Manandafy, Doris Rakoto Samuel. 7 taona, hoy izy, no nomena azy amina resaka fikasana hamono olona izay tsy mitombina satria ny mpitory aza tsy tonga. Ny vavolombelona tsy tonga fa ny "ministère public" izany no mitazona azy amin’izay 7 taona izay. Rariny ve izany? Ny antony faharoa hijoroako dia raha nahatadidy ny niandohan’ity raharaha ity isika dia ny raharaha Imbiky izay nahatafidiran’i Mahery tao anatin’io afera io ihany koa. Fotoana nisamborana an’i Mahery no nanenjehana an’i Imbiky. Nidiran’i Mahery am-ponja voalohany ny janoary 2022. Ireo olona notanisain’i madama Raissa ho nandray ny volany ireo no tao ambadiky ny fanagadrana ny vadiko koa tamin’izany fotoana izany. Ireo olona ireo koa no mbola tonga teny Antanimora ny 31 desambra rehefa tafavoaka i Mahery. Nanao fanerena tao hoe fa ahoana i Mahery Lanto Manandafy no tafavoaka tato am-ponja tamin’iny 31 desambra iny? Ireo olona ireo ve izany no mifehy ny fitsarana ato? Ny mpisolovava ve izany tsy ilaina intsony? Mijoroa ny mpisolovava! Omeo hasiny ny asanareo satria raha ny anio fotsiny (TTF: omaly), ny mpitory tsy tonga, ny vavolombelona tsy tonga, tsy nisy na inona na inona taty amin’ny ilany sivily. Ny mpisolovava an’i madama Raissa misy efa ho anaky 5. Samy namelabelatra ny fiarovana azy. Ahoana izany ny vahoaka malagasy amin’ny zava-mitranga ato amin’ity fitsarana ity? Mbola afaka hatoky ny fitsarana ve ny vahoaka malagasy? Renim-pianakaviana iny ary renim-pianakaviana aho. Hitako ny zava-nitranga taminy sy ny zanany. Mijoroa isika vahoaka malagasy fa antsika ity tany ity! Efa tafahoatra ilay izy, hoy hatrany ny tenany. Tsy mbola nandrenesam-peo nanoloana ity raharaha ity moa ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara malagasy na SMM. Asa izay ho tohiny kosa anio.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap