fa naverina any am-ponja i Raissa Razaivola. Tsy mbola nisy fanamafisana ofisialy na fandisoana. Raha hiverenana, nohelohina fito taona hiasa an-terivorozona ny volana mey 2023 ny tenany. Nenjehina tamin’ny afera maro samihafa, ary niampanga mpitsara ambony sy olona maro ho nandray volabe taminy. Nivoaka sy voakajy tao anatin’ny gadra politika, taorian’ny fiovam-pitondrana farany teo. Isan’ny nijoro sy niaro azy tamin’ny anaran’ny tenany sy amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta ny Minisitry ny serasera Gascar Fenosoa ny 2 desambra raha nilaza hoe : " Aoka izay ny fanaratsiana azy sy ny fanenjehana azy , fa raha nisy antony nanagadrana azy dia ny fijoroany amin’ny fahamarinana ! », hoy i Gascar Fenosoa. Nanitsy izay nolazainy kosa ity Minisitra ity ny herinandro lasa teo, ka nilaza hoe : « Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto Madagasikara, na iza na iza. Ny lalàna irery ihany no ambony.Noho izany, rehefa meloka dia miantso ny fitsarana handray ny tandrify araka ny lalàna, raha tsy meloka dia ny fitsarana ihany koa no manao izany ». « Tsy anjarako mihitsy ny manamarina na manameloka olona iray, fa ny hafatro dia tsy misy olona ambonin’ny lalàna, raha olona meloka ka omen’ny lalàna didy ho any am-ponja dia tokony ho anya m-ponja », hoy hatrany i Gascar Fenosoa ny 24 desambra teo. Andrasana ny tohiny sy ny fanadihadiana mikasika ity afera ity, fa miparitka ihany koa ny resaka milaza fa nampidirina am-ponja i Ando be, izay voatonona ho namoaka an'i Raissa Razaivola. Taiza sy iza marina izany no tao ambadiky ny famoahana ? Tena gadra politika sa tsia ary noho resaka lalàna sa ny tsindry sy tsikera samihafa no nandraisana ny fanapahan-kevitra ? Ny zava-dehibe dia mba ho ny lalàna marina no arahina na tokony havoakany fonja na tokony haverina am-ponja mba hampipetraka tsara ny fitokisan’ny vahoaka. Andrasana ny tohiny sy ny tatitra na fanazavana ofisialy…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»