airtel

Actualités

18-août-2023

Actualités

Raissa Razaivola Notorian’ny mpitsara sy ny Lehiben’ny firaketan-draharaha

Sample post image

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

18-août-2023

faniratsirana, famoahana zavatra tsy marina Rtoa Raissa Razaivola. Nambaran’ireo mpitory fa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny dosie mikasika azy io, dia lazainy fa nandray vola taminy avokoa. “Misy an’ireny dosien’io Ramatoa io ho an’izay olona rehetra mandray sy andalovan’io dosie io dia lazainy fa ananany vola, ka noho izany rehetra izany dia nanao io fitoriana izahay. Taorian’ny faniratsirana nataony ny mpitsara iray sy ny tenako, dia nametraka fitoriana izahay, mahakasika fanalam-baraka, faniratsirana, filazana zavatra tsy marina. Nametraka fitoriana eny anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly noho ny kolikoly sy fisolokiana satria isy ihany koa ny fisolokiana natao ny anaranay”, hoy ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 04 may 2023 teo, nandritra ny didim-pitsarana nanamelohana azy higadra 7 volana, dia nisy ny ampamoaka nataony, ka nanononany ny anaran’ny Lehiben’ny fampanoavana, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho naka vola 2,5 miliara taminy. Niakatra fitsarana omaly moa I Raissa Razaivola, saingy tsy nisy nipika ny fitsarana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, hentitra ny fisavana, hentitra ny fiambenana,… Nisy tetsy andaniny ny resaka nataon-dRtoa Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara teo aloha tao amin’ny tambajotran-tserasera afak’omaly, nilaza fa naiditra am-ponja vonjimaika na “MD” tamin’ny resaka faniratsirana satria namoaka fa nakana 80 tapitrisa Ar tamin’ny olon’ny fitsarana izay mpirahavavy ka notakiany saingy ny 25 tapitrisa Ar ihany no naverina,… Avo lenta ity raharaha mikasika an’I Raissa Razaivola sy ireo mpitory azy sy ny olona nolazainy fa nomeny vola sy nitaky vola aminy ity ka asa izay hiafarany?
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap