Naneho ireo nambara fa ezaky Madagasikara taorian’ny coronavirus, fa tao ihany koa ny fitanisana ny olana. Nomena sehatra ny teknisianina Malagasy tamin’ny fiatrehana ny coronavirus, ka noho ny ezaka, dia tsy mila “test PCR” sy “Pass sanitaire” intsony mankaty Madagasikara. Tsy dia zava-baovao maneran-tany io, ary isika aza no isan’ny tara indrindra. Naneho fa vao nitraka avy nandalo covid-19 dia eo ihany koa ny ady any Ukraine, izay mampanano sarotra ny toekarena. Anisan’ny firenena tratry ny fiakaran’ny vidim-piainana tahaka ny firenen-drehetra vokatr’izany I Madagasikara, ka nilazany fa ny fifampiresahana ihany no ahafahana mametraka fitoniana any Ukraine, ka miantso fifampiresahana izy. Hainy ny manome lesona ny any ivelany fa ny eto na efa hilentika aza tsy hihaino ny hafa izy? Eo ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany, mila jerena ny satria ny firenena sasany 100 000 dolara ny harin-karena ho an’ny isam-batan’olona (PIB), kanefa ny firenana tahaka an’I Madagasikara 600 dolara kanefa dia mitovy ihany ny sarany hividianana, miteraka korontana ara-tsosialy, hoy ny Filoha Rajoelina. Tena marina ny voalazany, vao omaly anefa no nisy diplaomaty niteny fa ny antsika no mora indrindra maneran-tany. Nambara fa fiaraha-mientana ihany no ahafahana mametraka filaminana eto Madagasikara, ary mila miodina ato anatiny ny firenena noho ny fananany akora,... Napetraka ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay efa nitantanana ny firenena, apetraka ny drafitra haha firenena misandratra an’I Madagasikara noho I Madagasikara manana fanomezana ara-boajanahary manokana, hakarina ny famokarana angovo ho avo roa na avo telo heny hatramin’ny 2023,… Ato anatin’ny herintaona? Nambara fa 95% amin’ny Malagasy mampiasa labozia, ka hanao ezaka amin’ny fizarana takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ary voalohany aty Afrika amin’io isika. Tahaka ny efa nataony tany amin’ny COP26 izay fivoriana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, nanamafy I Andry Rajoelina fa tokony handray andraikitra na “engagement” ny firenen-dehibe amin’ny fandotoana tontolo iainana, ary tokony hisitraka izany I Madagasikara. Resaka ara-bola io raha vantanina. Tokantrano 250 000 hizarana angovo avy amin’ny “éthanol”, raha ny nambara. Tsy adinony ny nitanisa ny fanamboarana ny làlana Ambilobe-Vohémar, fanamboarana ny RN44 any Alaotra ahafahana mamoaka ny voka-bary,... Momba ireo Nosy Malagasy kosa, nangataka fanohanana amin’ny firenen-kafa ny famerenana ny fandinihana ny raharaha mikasika an’ireo ny Filoha Malagasy.
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,