airtel

Actualités

15-juin-2026

Rakoto Mahefarinoro William René

«Tokony hisy tari-dalana

Sample post image

ho an’ny fokontany mihitsy aloha!»

15-juin-2026

Somary manahirana, hoy ny mpampianatra tantara, Rakoto Mahefarinoro William René, ny nametrahana teto Madagasikara hoe miisa18 ny foko eto Madagasikara. Iray foana nefa izao, hoy izy, ny malagasy ary afaka mampiseho fa iray. Tsy voafafa mihitsy ny maha iray ny malagasy teo amin’ny tantaran’ny fitondràna teto amintsika, na faha mpanjaka io na fanjanahantany na ny repoblika nifandimby. Tsy nahitàna fahombiazana loatra hatrany nefa ny rafitra nifandimby voatanisa teo. Ohatran’ny hoe nitsapatsapa hatrany isika rehefa mijery ny fandrosoan’ilay firenena. Mbola hikaonandoha koa izao ny fidirana amin’ny repoblika faha 5. Mbola tsy manana fahamasahana ara-pahalalana mikasika fitondràna i Madagasikara. Samy manao izay heveriny fa mety izay mitondra. Tsy afa-niala tamin’ny sehatra iraisampirenena izay nitondra tsinona dia voatery nanao an’izay. Mbola tsy misy amintsika malagasy ny fahalalana ny fitsinjaràm-pahefàna. Nanao ny hoe VIP na Vondrom-bahoaka itsinjaràm-pahefàna ny filoha Didier Ratsiraka. Izay no neritreretiny ho atao fa tsy tafavoakany rehefa tena nalefany satria ny olona nasainy nanao izany tsy mahalala akory ny tena maika ao anatin’ilay fitsinjaràm-pahefàna. Tsy tena mbola amin’izany ny rafitra mety amintsika. Ny amerikanina izao manao karazana fanjakàna federaly. Misy fanjakàna mahaleotena maro ao. Efa mazava tsara ny azy ny lalàna hatrany am-boalohany hoe toy izao ny antsika. Mandroso daholo na i New York na Washington na iza na iza. Ny antsika izao mbola mila fianarana fototra hoe ahoana no itondràna ity Madagasikara ity? Sarotra be ny manao ilay fikaonandoham-pirenena! Ahoana ny akànao ny hevitry ny any ambany ravinkazo rehetra any? Tokony hisy tari-dalana ho an’ny fokontany mihitsy aloha! Iny no hiaingàn’ny olona amin’izay fotoana izay. Raha hampanaovina matematika ve, ohatra, ny mpianatra dia tsy ampianarina azy akory hoe inona no atao hoe matematika? Inona ilay hoe hevitra ho alaina hatrany amin’ny fotony? Tokony hampianarina mihitsy izany aloha ny olona hoe ahoana no tiantsika hitondràna ny firenentsika? Misy manao izany izao amin’ireo solombavambahoaka kanefa tena mijery ny ifotony mihitsy ve? Afaka mijery ny karazan’olona rehetra ve, na mpianatra io na mpandraharaha na tanora na manam-pahaizana na mpanao asa tanana? Izany rehetra izany izao tokony hakàna hevitra daholo vao tena tokony hirosoana ny fikaonandoha! Isan’ny saika nahavoa ny tamin’ny taona 1972 tsinona izay. Nambara tamin’izany hoe hisy ny fikaonandoha, ny izao sy izao nefa rehefa tena natao ilay izy dia efa nisy antotan-kevitra vonona sy nampidirina tao fotsiny kay avy any dia tsy nahomby, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

ara-dalàna maro tafiditra eto

Card image cap
15-juin-2026

Hanaovana hetsika manokana etsy amin’ny kianja Barea

Card image cap
12-juin-2026

Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha

Card image cap
12-juin-2026

Betsaka ny asa vita sy hotanterahana,

Card image cap