airtel

Actualités

07-oct-2022

Actualités

Rakotonavalona Ranary Robertson « Irariana ny hananan’ny fitsarana endrika vaovao »

Sample post image

Tontosa soamantsara omaly 06 oktobra ny lanonam-pianianana sy fametrahana tamim-pomba ofisialy ny Filoha Voalohan'ny Fitsarana an-tampony eto Madagasikara, Atoa. Rakotonavalona Ranary Robertson.

07-oct-2022

Nanatrika izany teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sady Filohan’ny Filan-kevitra Ambonin’ ny Mpitsara. Anisan'ny andraikitry ny Fitsarana an-tampony ny miantoka ny firindran'ireo Fitsarana telo lehibe mandrafitra azy dia ny Fitsarana fandravana, ny Filan-kevim-panjakana ary ny Fitsarana misahana ny kaontim-bolam-panjakana. Adidy lehibe hiantsorohan'ny Fitsarana Tampony ny fametrahana ny tany tan-dalàna eto amin'ny Firenena. Izy ihany koa no mandray ny fianianan'ireo mpitsara lehiben'ny Fitsarana Ambony sy ireo manana andraikitra ambony eto amin'ny firenena toy ny Governoran'ny Banky Foibe, ny Tale Jeneralin’ny Bianco, ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, ny Tale Jeneralin’ny ARAI, sns. Anjaran'ny Fitsarana an-tampony ihany koa ny manao fitsirihana sy manara-maso ny asan'ireo Mpitsara isaky ny ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana Ambony rehetra voasoratra ao anatin’ny lalàna fehizoro. Izany anefa dia tsy manohintohina velively ny fahaleovantenan'ny Mpitsara mpamoaka didy. "Ny irariana dia ny mba hananan'ny Fitsarana endrika vaovao ho tena Fitsarana fanoitry ny fampandrosoana, ka tsy hisy intsony ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny Fitsarana fa dia hangarahara ny raharaham-pitsarana anatin’ny fahendrena sy ny fahaizana mandanjalanja amin'ny fahafantarana mialoha ny vokatra sy ny fiantraikan'izany asam-pitsarana izany eo amin'ny fiarahamonina" hoy Atoa. Rakotonavalona Ranary.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap