Randriana no fiantson'ny maro azy fa Rakotondrina Alfred no tena anarany. Tena mampihaiky ny rehetra ny fahaizaina hatramin'ireo vazaha aza. Nisy iray farany avy any Frantsa efa tokony hodidiana mipotsaka tsinay (hémorroïde) no mbola voan'ny hozatea mivokona (sciatique) fa dia sitrany tao anatin'ny 30 andro monja. Ny sciatique anefa lazaon'ireo mpitsabo hoe tsy azo orina nefa dia vitany. Faly ity vazaha ity ary nikasa ny hitondra azy tany Frantsa saingy tsy nandeha izy noho ireo marary izay misy avy lavitra manatona azy aty Betafo. Siteany daholo na fanintona na hazin-damosina mikisaka na taolana tapaka. Rehefa mety ho aretina dia vitany avokoa. Talenta anefa raha ny marina satria vao folo taona raha folaka ny ankihoben-tongony dia izy ihany no namerina azy. Nanomboka teo dia lasa mpanotra i Randrina. Ary tsy nihanona tamin'izay fa mbola nianatra momba nu taova sy ny firafitry ny taolana eo amin'ny olombelona. Ny tena mampiavaka azy dia mitsinjo ireo tena sahirana izy ka manao izany ho maimaimpoana. Tsy misy sarany voafetra rahateo ny asany fa izay foina no omena.. tia manampy olona izy.
Clément RABARY
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny