airtel

Actualités

09-janv-2026

Ralaiarimanana

«Tokony omena ny andraikitra

Sample post image

sy sarany tena sahaza ireo manam-pahaizana!»

09-janv-2026

Mety mbola betsaka tamin’ny nampanantenaina tao anatin’izao fitondràna izao no tsy tanteraka nefa vao fotoana fohy koa no nijoroan’izany fitondràna izany, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Mila mahay misafidy ny olona miara-miasa aminy ny filohan’ny fanavaozana, hoy izy, satria rehefa vantanina ny fomba filaza azy dia hoe mbola misy izany ireo olona tsy tian’ny vahoaka mbola hita miara-miasa ao ihany. Tsy hoe maloto ireny olona ireny fa mila iverenana ny hoe inona no fototr’izao rehetra izao dia tsy inona fa ny fitiavam-bola diso tafahoatran’ny fitondràna teo aloha. Natao fanangonan-karena ilay fitondràna nisy ka fitenintsika malagasy moa ny hoe «Tanana zatra mitsotra tsy afa-mivonkona intsony.». Tsy hoe rehefa namana koa nefa dia alaina daholo fa ilaina hatrany ny fifantenana satria ilaina ny tekinisianina, ny olona mbola tsy nanana dosie maloto, ireo andrandrain’ny vahoaka hitondra fanovàna marina eto amin’ity firenena ity. Mila mitandrina tsara isika eo amin’izay fahaizana mitondra ny tany sy ny firenena izay. Tena azo atao tokoa, araka ny nambaran’ny minisitry ny angovo izao, ny mampidina ny saran’ny herinaratra eto Madagasikara. Isan’ny lafo indrindra eto amin’izao tontolo izao ny saran’ny herinaratra eto amintsika. Hila tsy ho zakan’ny vahoaka intsony satria ambany dia ambany ny karaman’ny olona. Raha te hampidina izay saran’ny herinaratra izay koa nefa dia tsy maintsy omena sehatra misimisy izany ireo angovo azo avaozina toy ny azo avy amin’ny masoandro sy rivotra. Ny resaka rano moa dia ilàna ny fanampiana ireo tohadrano efa misy. Mety mbola tsikaritra etsy ankilany ny tsindry iraisampirenena toy ny amin’ny resaka solika sy ny toy izany saingy manana manam-pahaizana maro nefa isika, raha tsy hiresaka afa-tsy ny ao amin’io JIRAMA io fotsiny. Tokony omena ny andraikitra sy sarany tena sahaza azy ireny hitondra antsika any amin’ny tena fanovàna marina, hoy hatrany ity mpandinika ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap