airtel

Actualités

30-mars-2023

Actualités

Ramampy Zénaide Le Chat « Tany am-piangonana izahay no natory nandritra ny tolo-panafahana »

Sample post image

Anisan’ny niharitra ny mafy na dia mbola vao 11 taona monja aza nandritra ireny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947 ireny Ramampy Zénaide le Chat fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Mamazena.

30-mars-2023

Nonina tany Ambalavao izy sy ireo Ray aman-dReniny no nipoaka iny tolom-panafana tamin’ny 1947 iny. Teraka ny zandriny faha-4 ny Renin-dRamatoa Zénaide Le Chat no nitranga izany raha ny fitantarany saingy tany am-piangonana izy ireo no natory nandritra ny 30 andro teo ho eo.
TENA HOROHORON-TSAINA
Horohoron-tsaina no niainanay tamin’izany hoy Mamazena. Anisan’ny nangotraka ihany koa mantsy raha ny fanazavany ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947 tao Ambalavao tao. Nampitahorin’ireo vazaha tsy nahazo niditra ho mpikambana tao amin’ny MDRM avokoa ny mponina rehetra raha araka ny fanazavany amin’izay tsy afaka ny hikomy sy hanohitra azy ireo. Tany am-piangonana izy ireo no natory nandritra ny 30 andro teo ho eo raha ny fanazavany hatrany nefa vao teraka ny zandriny faha-efatra ny Reniny tamin’izany. Na izany hoy izy dia nandeha tsara ihany ny fampianarana. Mpianatry ry Masera izy tamin’izany fotoana. Ry mompera no niaro azy ireo isan-kalina tamin’izany ka feom-basy sy tafondro nipoapoaka sisa no hany reny nanodidina azy. Tao am-piangonana ihany koa izy ireo no nahandro sakafo sy nihinana izay efa nahatratra an-jatony ka zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroany hoy hatrany ny fanazavany.
NOVONOINA DIA NAHANTONA TENY AMBONY SARETY
Dokotera iray mpitarika ny MDRM raha araka ny fanazavany no novonoin’ireo vazaha sy naantony teny ambony sarety ary nentiny nandehandeha eran’ny tanana nampitahorana ny olona. Natahotra mafy vokatr’izany ny rehetra ka tsy nisy sahy niditra ho mpikambana tao amin’ny MDRM hoy hatrany Mamazena. Nogadraina nandritra izany ihany koa ny dadatoany izay tsy nivoaka mihitsy raha tsy fotoana maharitra. Notsiahiviny moa fa anisan’ny tena nafana fo tamin’ny tolom-panafahana 1947 ny tao Ambalavao saingy na izany aza ny taona 1960 isika vao nahazo ny fahaleovantena izay nambarany fa mbola somary kisarintsariny ihany.

NIFONA
Rehefa nandeha teny ny fotoana dia lany ho Ben’ ny tananan’Ambalavao Ramatoa Ramampy Zénaide Le Chat teo amin’ny fahatanorany rehefa nandalo dingana marobe. Diso fantatry ny olona loatra anefa hoy izy fa nanambady vazaha aho ary vazaha taratasy ihany koa. Nisy araka izany nandritra ny hetsika izay notanterahiny tao Ambalavao ny fifonana tamin’ny fianakavian’ireo olona lasibatra nandritra ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947. Betsaka tamin’ireo olona tany an-toerana mantsy no nanana ireo nogadraina sy novonoina ho faty ka nankahala vazaha tanteraka. Tsy maintsy nitondra ny fifonana aho hoy Mamazena nandritra ny fandraisam-pitenenana nataoko tao anatin’ny lanonam-panjakana iray. Nomarihiny moa fa rariny raha hankalazaina sy marihina manokana ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947 hahatsiarovana ireo lasibatra sy ireo namoy ny ainy tamin’izany fotoana.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap