airtel

Actualités

10-janv-2025

Ramampy Zénaïde Lechat

«Mila fohazina amin’izay ny malagasy!»

Sample post image

Marary i Madagasikara ka fanafody manasitrana azy, dia ny vahoaka malagasy, no andrasana amin’ny mpitondra,

10-janv-2025

hoy ny raiamandreny nanamarika ny tantaram-pirenena izay efa sady avy minisitra no ben’ny tanàna sy tao amin’ny tafika ihany koa, Ramampy Zénaïde Lechat. Mila fohazina amin’izay ny malagasy mba hitraka satria midadasika i Madagasikara, hoy izy! Maninona raha mamboly, miverina any an-tsaha in-dray mandeha fa tsy matory amoron-dalana erak’ity sisin-dalan’Antananarivo ity? Hiandry tolorana ve fa tsy mba hikaroka? Rehefa tonga ny fifidianana dia mba tokony hahiratra ny maso na hisokatra ny sofina ka hahatakatra tsara ny zava-misy vao mandatsa-bato fa tsy hoe efa izao no fandehan’ny raharaha dia tsy andeha hifidy aho. Tsy aiko fa ohatran’ny hoe miara-domelina isika vahoaka sy ny mpitondra. Tokony mba ho tonga saina dia hisokatra ny sain’ny rehetra, hisokatra ny sofiny, hihiratra ny masony hahita hoe izao marina no mahasoa ity vahoaka malagasy ity. Izao no vahaolana tokony ho hita fa tsy hoe hanentsina ny trosa etsy dia hisambotra vola ary indray hanentsemana ny hafa na hoe tsy ampianarina ny ankizy fa ny vola tokony hanampiana ny fampianarana hividianana solika ho an’ny JIRAMA. Mila miara-mifoha hahiratra in-dray mandeha na ny mpitondra na ny vahoaka. Tsy ho sanatria isika ho toy ny akoho ka hiandry ho fahanana. Ilay fifohazan-tsaintsika mba hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary no andrasana fa isika ohatran’ny tsy misaina intsony. Izay fomba fifohazana izany no mahafinaritra ahy amin’ireto mpitondra fiangonana tapa-kevitra hijoro ireto na Katolika na Protestanta. Manaitra ny vahoaka mba hifoha! Jereo ny tantaran’i Jacques Tronchon! Raha tsy miasa ianao tsy velona. Ireny ny tanàna miisa 23 na «23 villages» any Imerintsiatosika. Olona natory teny amoron-dalana izao lasa mamokatra sady tompona saha 5ha. Miverina hatramin’ny maha izy azy na «dignité» an’ilay olona. Hiandry tolorana foana ve ka vao maheno hoe misy fizaràna ary dia filaharam-be? Mijoroa amin’ny maha olombelona anao. Mijery ny tanimbary ambolena mandia ny lalam-pirenena faha fito na RN 7 ianao dia hino fa tsy kamo ny malagasy. Misy zavatra ao amin’ny fisainany ao tsy mampitraka azy handray angady andeha hamboly mba hinanana. Miandahy, miambavy eny mamboly, mihava, manetsa. Hiandrandra ny lanitra handrotsaka orana fotsiny ve nefa eto misy tekinisianina afaka hitarika rano? Injeniera firy ve tsy ahafahana hanao tohadrano na «barrage». Ranomasina aza vita navadika rano fisotro tany Israely! Tany aho no niofana. Dezera izany. Hektara maro feno voasary. Nanondrana izy ary izao lasa manondrana hatramin’ny voninkazo sy «foie gras» na hena matavy. Ny tanintsika Madagasikara ity manan-karena fa vonointsika amin’ny dorotanety sy ny fanimbana ny ala. Tsy ampy ny fanaovana fotodrafitra ilain’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

HCJ
17-janv-2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

Card image cap
17-janv-2025

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

Card image cap
17-janv-2025

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

Card image cap
17-janv-2025

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

Card image cap
17-janv-2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

Card image cap
17-janv-2025

Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,

Card image cap