airtel

Actualités

28-août-2023

Ramatoa leo fangejana sy herisetra

Saika hamono tena niaraka tamin’ny zanany

Sample post image

Samy manana ny anjara hazo fijaliana lanjainy ny tsirairay eto ambonin’ity tany fandalovana ity. Misy ireo kely dia namoy ny ainy tsy nahita fiainana akory,

28-août-2023

misy ireo nilaozam-bady, misy ireo tsy mijaly am-panambadiana, misy ireo tsy ambinina amin’ny asany, misy ireo tsy miteraka….tranga izay samy mampamoy fo avokoa. Ho an’ilay Renim-pianakaviana iray monina etsy Anosizato Atsinanana ohatra dia nikasa ny handao ny tany tamin’ny Sabotsy teo izy sy ilay menaky ny ainy vao 3 taona monja. Nidina moramora tao anaty rano feno tsikafona izy ka nasitriny tao ilay zanany tsy manan-tsiny. Saika hisitrika ihany koa izy taorian’izany kinanjo nisy nahita tampoka. Navotana faran’izay haingana izy mianaka nandritra izany. Nilaza moa ilay ramatoa fa atao toy ny gadra izy mianaka ary hidiana ao an-trano foana tsy mba manana fahafahana mihitsy, antony saika hamonoan’izy ireo tena. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny herisetra hatao amin’ny olona iray ny fanomezana azy fahafahana tahaka izany. Azon’ireo vehivavy hiharan’izany hatao tsara ny manatona ireo fikambanana miady amin’ny herisetra hahafahana mamaha ny olana.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka saika hamono tena !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap