airtel

Actualités

20-oct-2023

Ramatoa namono ny rafivaviny

Namono tena izy avy eo

Sample post image

Tranga nampivarahontsana tany Ampasina Ambodiampana, distrikan'i Mananara Avaratra,

20-oct-2023

no niseho ny talata teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Vehivavy iray no voalaza fa namira ny rafivaviny tamin'ny antsibe. Maty vokatr'izany ity nambara fa rafivavy ity. Nandriaka ny rà. Rakotra dian'ilay antsibe ny hatony, ny tanany, ny lohany. Nandositra ilay ramatoa tompon'antoka. Avy eo hita faty niantona tamin'ny jirofo sahabo 4 metatra ny haavony. Tsy nisy ratra na diana vono teny amin'ny vatany. Ny fizahan'ny dokotera sy ny zandary no nilaza fa vono olona sy famonoan-tena no niseho. Samy nomena ny fianakaviany avy ny razana. Namono tena araka izany ilay ramatoa rehefa avy namono ny rafivaviny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap