airtel

Actualités

04-avril-2023

Actualités

Ramiandrisoa Fulgence « Tsy misy vato diamondra izany ao anatin’ny olona varira »

Sample post image

Anisan’ny antony hakan’ny sasany an-keriny ireo olona varira eto amintsika hatramin’izao ny fielezan’ny feo fa misy harena sarobidy miafina any anatin’izy ireny.

04-avril-2023

Anisan’izany ny vato sarobidy diamondra izay ambaran’ny sasany mihitsy fa ao anaty masony…Tsy vitsy ireo lasa manaotao foana mangalatra sy maka an-keriny ireny olona varira ireny noho izany antony hanokanana azy ireny any amina ivon-toerana iray any Farafangana ho an’ireo monina ivelan’ny Faritra Analamanga izay nohatevenina mpitandro ny filaminana mihitsy . Nambaran’ny filohany Ramiandrisoa Fulgence fa tsy misy vatosoa na safira na diamondra izany any anatin’ireny olona varira ireny. Olona mitovy amin’ny olombelona rehetra ihany izy ireny hoy izy ka tsy tokony hahilika na koa hatao sorona mba hitadiavan-karena. Nisy omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa niarahan’ny fikambanana Albinos de Madagascar sy ny fikambanana tsy miankina iray. Anisan’ny vontoatin’ny fiaraha-miasan’izy ireo ny hanentana ny mpiara-belona eny anivon’ny Fokontany, sekoly, kaominina mba tsy sanatria hanilika na haka an-keriny ireny olona varira ireny fa hiaro sy hanampy azy kosa indrindra amin’ny fiatrehany ny fiainana amin’ny andavanandro.
Pati
Legende : Mahatsiaro mijaly ireo olona varira manoloana ny fakana an-keriny azy ireny
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap