hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly, ny sabotsy teo nandritry ny fifampiarahabana tratry ny taonan’ny valaben’ny sendika eto Madagasikara na SSM. Tsy voajery mihitsy io, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Na dia teo aza ny tenin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny mponina ireny hoe ohatran’ny mbola tsy manana programa sosialy ry zareo, izany hoe, mety andeha zebra araky ny fitenin’ny tanora ve ny resaka sosialy? Ny aty amintsika mpiasa dia tsy mandeha zebra isika. Mila jerena daholo aloha ny karama ho an’ny mpiasa tsy miankina, mpiasam-panjakana. Tokony jerena koa ny fiahiana sosialy. Ahoana ny fanavaozana io CNAPS io? Ahoana ny hanasarahana ny fitantanana an’io fa tsy atao tantely afa-drakotra ohatran’io? Ahoana no hijerena ireo zokiolona mpiasam-panjakana izay ahodinkodina indray ny “installation”-ny? Tokony jerena amin’ny sehatra rehetra koa ny fahasalamana. Misy mpiasa efa tsy mahetsika mbola tsy mahazo fakan’aina satria lasa baikon’ny mpampiasa ireo sehatra fiahiana sosialy. Ny karama, sosialy, fahasalamana no mampitebiteby ny mpiasa ary tsy hamokatra mihitsy ny mpiasa mitebiteby. Efa nandalo fanindroany teny anivon’ny filankevim-pirenena momba ny asa na CNT ilay volavolan-dalana momba ny sata momba ny asa na “code de travail” dia efa niverina any amin’ny minisitera dia ho alefa eny amin’ny governemanta, izany hoe, efa tokony hiditra eny anivon’ny parlemantera amin’ny fivoriana voalohany amin’ity taona ity izany io. Mbola manana ho tenenina ny Randrana sendikaly ary hanao fanerena na “lobbying” eny anivon’ny parlemantera satria misy andalana vitsivitsy mbola mamono ny mpiasa ao, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »
Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,
Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.
Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany
Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.
Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy