Nasongadina tao anatin’ny fankalazana koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny fankanesana teny amin’ny CNaPS satria somary mampieritreritra ny fahanginan’ny filankevim-pitantanana. 6 volana niasana, na notsikerain’ny Randrana sendikaly aza hoe mbola tsy nivoaka akory ny fisoloan-tenan’ny sendika dia nataon’ny minisiteran’ny asa an-terisetra ny fanendrena ny filankevitra hiasa 3 taona. Mahagaga hoe 6 volana aty aoriana mbola tsy nahita olona 1 atao tale jeneraly amina vahoaka 27 tapitrisa. Eo izany no mampametra-panontaniana hoe fitavozavozana sa hoe aleo ho roritina toy ny teo aloha indray ve izany dia ho atao tantely afa-drakotra toy ny teo aloha ny fitantanana ny CNaPS? Tsy mahavita na inona na inona no dikan’izany ilay filankevim-pitantanana. Tokony hiteny amin’izay izany io filankevitra io hoe nanao ahoana amin’izay ary ny mikasika ilay vola nampiasaina teny amin’ny Air Mad satria heverina fa efa nahavita fifamindram-pahefana matoa 6 volana no mipetraka eo? Ny resaka volan’ny vehivavy moa tahaka ny volan’ny vehivavy bevohoka, fisotroan-dronono, mitaiza kely, loza anaty asa dia misy mikitika daholo. Nanomboka 2016 no tsy nazava ny fitantanana tao amin’io CNaPS. Hanafenan-javatra ve izany ny fidirana anatin’ireny fikambanana rejionaly aty Afrika ireny? Aiza ho aiza ny mikasika ny fiahiana sosialy na “code de prévoyance sociale” satria mangina tsy ahenoina feo mihitsy ny CNaPS manoloana izany? Miandry ny tatitry ny filankevim-pitantanana izahay ary hiha mafy hatrany ny hetsika, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.