airtel

Actualités

04-janv-2024

Randrana sendikaly

“Niaiky ny fitondram-panjakana fa tsy tena nijery ny sosialy”

Sample post image

Tsy toy ny kabary nahazatra ny filoham-pirenena isan-taona no hitanay eto anivon’ny Randrana

04-janv-2024

sendikaly ny 1 Janoary 2024 teo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, satria kabarina fotoam-piasana vaovao no hita. Tsy ny 2023 fotsiny no nojereny fa ny rehetra talohan’izay koa. Nijery koa hoe manao ahoana izany ny fe-potoam-piasana manaraka? Ny fanontaniana mipetraka anatin’izay dia hoe ahoana no tombana? Ny fijerinay ato amin’ny Randrana dia hoe nanao ahoana ny tontolon’ny asa? Tsy tena nisongadina tamin’ny kabarin’ny filoham-pirenena izay lafin’izay fa nataony ankapobeny fotsiny ny hoe hijery ny lafiny sosialy dia nanambara famoronana asa sy ny toy izany. Be dia be ny vary mangatsiaka tamin’ny fe-potoam-piasana tany aloha satria izany ny filoham-pirenena nilaza hoe hijery bebe kokoa ny resaka sosialy dia manaiky izy fa tsy tena nahajery izay lafiny sosialy izay. Tamin’ny fe-potoam-piasana taloha nisy ny hoe karama nidina, tena tantely afa-drakotra ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa ao amin’ny CNaPs, tsy mahavaly intsony ny fitsaboana ny mpiasa ireo sampana miandraikitra fahasalamana, ny sata mifehy ny asa efa lany daty. Vary mangatsiaka be dia be ireny ary niaiky ny fitondram-panjakana fa tsy tena nijery ny sosialy. Tokony hihazakazaka hijery ireo vary mangatsiaka ireo anatin’ny 6 volana aloha izany ny fitondram-panjakana. Voalohany indrindra ny karama satria 2 taona no niresahana hoe 250.000 Ariary ny karama farany ambany, hay tsy karama fototra io fa mandalo. Ny karama fototra nefa no iadian-kevitra fa ny karama fanampiny izany miankina amin’ny orinasa tsirairay avy. Ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana sy sata mifehy ny asa aty amin’ny orinasa tsy miankina koa eo. Lany daty tsy mahavaha ny olan’ny asa intsony ireny. Ny sata mifehy ny sosialy na “code de prévoyance social” koa ngeza be. Ny famoronana asa izany mbola an-tenantenan’ezaka sy lavitra ezaka fa ireo voalaza teo ireo aloha no maika. Tokony efa niditra teny amin’ny parlemantera moa ilay sata mifehy ny asa fa natsahatra indray hoe ho an’ny fe-potoam-piasana manaraka. Lalàna goavana tokony nivoaka tamin’iny fe-potoam-piasana teo aloha iny koa anefa ny mikasika ny fandraisan’anjaran’ny sendika aty amin’ny sehatra tsy miankina na “représentativité syndicale”, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap