airtel

Actualités

23-juil-2026

Randriamanantena Solo Séraphin Jhons

«Mila mifamelona sy mifanampy isika»

Sample post image

Araka ny voasoratra anaty soratra

23-juil-2026

masina hoe «Ringana ny olona noho ny tsy fisian’ny fahalalàna!», hoy ny tonia SAMPATI Foibe FJKM na ny tonian’ny sampana Mpanazava sy Tily eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Randriamanantena Solo Séraphin Jhons. Midika izany, hoy izy, fa ny vokatry ny tsy fahalalana dia miteraka faharinganana. Ny zava-misy ankehitriny dia mila fifampaherezana sy fanorenana fanantenana ho an’ny tsirairay avy satria indraindray ny olona kivy, miraviravy tanana, malemy ny lohalika satria torovana tanteraka araka ny voasoratra anaty Baiboly. Hoy ny soratra masina hoe ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ny lohalika malemy, ny olona kivy sy ketraka ary torotoro fo manoloana ny zava-misy. Ny tokony ho resahina izao dia ny mikasika ny fitandroana ny aina. Sarobidy amin’ny malagasy izany aina izany. Midika fanajàna ny mahaolona ny fitandroana ny aina. Ampianarin’ny fiangonana izany ary fisorohana herisetra na herisetra ara-tsaina io na ara-nofo na ara-pihariana na herisetra an-davan’andro manohintohina ny filaminana. Anatin’izany ny fitandrovana ireo fifampihantsiana samihafa manoloana ireo olona marefo sy sahirana. Ireo foana tsinona indraindray no hiharan’io herisetra marolafy io. Ny zava-misy maresaka ankehitriny tahaka ny fahaverezan’olona sy vono olona samihafa sy ny mifandray amin’izany rehetra dia vokatry ny fifankahalàna, fifandirana, fitiavam-boninahitra, fitiavam-pahefàna, fahantrana sy endrika tsy fananana samihafa, ny alahelo, ny valifaty sy izay tsy fantatra rehetra any, ny endrika fitadiavana fahefàna ambony mihoatra amin’izay hita rehetra. Fototra lehibe ao anatin’izany koa ny hoe tsy ampy ny fanabeazana momba ny soatoavina, ny fitandroana ny aina, ny fifampiresahana tokony ho azo. Ny fiangonana dia mampianatra ny hasin’ny aina, ny maha mpahary an’Andriamanitra, ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra mihitsy izany vono olona sy famotehana ny ain’ny olona izany. Ny niatombohan’ny faharavàn’izao tontolo izao dia ny famonoana olona. Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina. Aiza i Abela zandrinao hoy i Andriamanitra taminy fa mitaraina amiko ny ràny. Midika izany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fandatsahan-drà. Fitiava-namana no tiany. Izany no fampianarana tokony ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fitarihana fampihavanana. Tsy misy afa-tsy fampihavanana ihany sy ny fampahafantarana ny malagasy ny hoe mifampiankina mila mifamelona sy mifanampy isika no tokony hampianarin’ny fiangonana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

Mitohy hatrany toa manao tohivakana

Card image cap
23-juil-2026

sisa ny vokarin’Andekaleka

Card image cap
23-juil-2026

Fotoana tena fikaraman'ny mpampanofa

Card image cap
23-juil-2026

Hiara-hiasa hifanohana amin'ireo ankizy tratry ny homamiadana

Card image cap