EDBM (Economic Development Board of Madagascar) Randriamialison Tsimbazafy Yvon. Izy no mandimby an-dRabarisoa Andrianaina, ity farany izay lasa filohan'ny Filankevi-panjakana. Notanterahina oamly tao amin’ny foiben’ny EDBM eo Antaninarenina ny famindram-pahefana mikasika izany. Randriamialison dia mpitsara misahana ny raharaham-bola, ary efa nisahana ny Fitaleavan’ny Fitsirihana anatiny sy ny Ady amin’ny Kolikoly tao amin’ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, talohan’ny naha voatendry azy ho Talen’ny Kabinetra tao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana. Ankehitriny, dia misahana ny andraikitra maha Sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izy. Niforona ny taona 2006, 20 taona nijoroana izao ny EDBM. Izy no mirakitra ny angon-kevitra momba ny fananganana orinasa, fanatsarana ny tontolo ara-dalàna ho an'ny mpampiasa vola eo an-toerana ary koa ny fanamorana sy fanaraha-maso ny fahazoana Visa ho an'ny mpiasa vahiny sy fanohanana mitohy amin'ny tetikasa. Tsara ny mampatsiahy fa ny Filankevi-pitantanan’ny EDBM dia ahitana mpikambana 22, ka ny 11 amin’ireo dia solontena avy amin'ny fanjakana, ny 8 dia avy amin'ny sehatra tsy miankina, ary ny 2 kosa dia olona manam-pahaizana manokana momba ny fampiasam-bola sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Ny didim-panjakana laharana faha-22234/2026 no nanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny EDBM, dia Ramatoa Alice N’Diaye, Minisitra, ho an’ny Ministera misahana ny Raharaham-bahiny ; Andriamatoa Ny Riana Nampoina Raharimanjato, Minisitra, ho an’ny Ministera misahana ny Indostria ; Andriamatoa Franconio Mac Denis, Minisitra, ho an’ny Ministera misahana ny Asa ; Andriamatoa Gaëtan Ramindo, Minisitra, ho an’ny Ministera misahana ny Fambolena ; Andriamatoa Radonirina Lucas Rabearimanga, Minisitra, ho an’ny Ministera misahana ny Angovo.
Nangonin'i Jean D.