amin'ny kolikoly na PAC Fianarantsoa ho nanao fanararaotam-pahefana sy nanodinkodim-bolan'ny Kaominina iadidiany mitentina 760.000 Ariary i Randrianamboariny Jean Pierre, Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrika Manandriana Faritra Amoron'i Mania, araka ny didy 44-CO/Fitsofandrano/2026 nivoaka ny 7 jolay 2026. Roa taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy onitra 20 tapitrisa Ariary. Araka io didy io hatrany dia voarara tsy hahazo hisahana raharaham-panjakana mandritra ny roa taona ity Ben'ny tanàna tanora ity, ary koa tsy mahazo mandray anjara amin'ny fifidianana. Ankoatra ireo dia didin'ny PAC ny hanagiazana ny fananany mitovy sanda amin'ny 760.000 Ariary nahodinkodiny ho fanonerana izany. Misy olona iray hafa voasaringotra amin'io raharaha io ary iharan'ny sazy mitovy amin'i Randrianamboariny Jean Pierre. Nampakatra ny rahaharaha amin'ny Fitsarana ambony avy hatrany ity farany, ary tafapetraka ny 10 jolay teo ny fangatahany.
TSY SAMBANY
"Nampiasaina nanaovana saisie sy tonta printy taratasin-ketra tany amin'ny Cyber io vola io. Efa tonga eny amin'ny Vahoaka io taratasin-ketra io. Efa narotsaka tany amin'ny Bianco ny taratasy fanamarinana izany", hoy i Randrianamboariny Jean Pierre raha nanontaniana. Tsy naharo azy teo anivon'ny PAC anefa io fiarovan-tenany io. Tsy sambany niatrika Fitsarana ity tanora mpanao politika ity. Fony mbola mpianatra teny Ankatso izy dia isan'ireo mpitarika grevy voasambotra tamin'ny fomba nahery vaika nataon'ny Emmo-Reg ary niakatra Fitsarana. Nifandroritana teny amin'ny Fitsarana ihany anatin'ny fahazoany fandreseny tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ny 11 desambra 2024. Kandida tsy miankina izy. Lefitry ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania i Randrianamboariny Jean Pierre.
Jean D.