airtel

Actualités

05-juin-2023

Actualités

Randrianatoandro Robert « Vokatry ny ota fady ny havandra milatsaka maina tsy misy orana »

Sample post image

Tsy nisy izay tsy niaiky ny rehetra andro maromaro lasa izay fa hafahafa ireny havandrabe niraraka teto amintsika ireny.

05-juin-2023

Tafiditra tao anatin’izany ny tany amin’ny faritra izay tsy niaraka tamik’orana ny ankamaroany nefa tena nanimba ireo karazana fambolena toy ny vary…. Nambaran-dRandrianatoandro Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina fa vokatry ny ota fady nataon’ny mpiara-belona no nahatonga ireny. Miantso ny mba hanajana ny fomba sy ny fady mahakasika ny fiarovana ny ain’olombeloba sy ny fananany araka izany ny tenany. Tokony hohajain’ny mpiray firenena hatrany ireny karazana fady ireny hoy izy mba tsy hidiran’ny firenena anaty fahasahiranana lalina. Ankoatra izay dia mbola manaitra ny mpiara-belona ihany koa ny tenany mba tsy ho varimbariana. Mbola misy eto amintsika hatrany mantsy hoy izy ireo karazana areti-mandoza mandripaka ka tokony arahina hatrany ireo toro-marika omen’ny Fitondram-panjakana. Mbola misy ary mbola tsy foana ireny karazan’aretina ireny hoy izy indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny andro mangatsiaka izao.
Pati
Legende : Robert Randrianatoandro, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap